airtel

Actualités

21-avril-2022

Actualités

Fisolokiana vovo-bolamena Mpivady avy any Fianarantsoa, tratra teny Anosizato

Sample post image

Tovolahy sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny SUT Tsaralalana tamin’ny 18 aprily lasa teo teny

21-avril-2022

Anosizato tokony ho tamin’ny 12 ora rehefa nisoloky. Nanao fisafoana ny Polisy Intervention sakelika fahatelo na CUI3 avy ao amin'ny Commissariat central tamin’io andro teny Anosizato sy Fasan’ny karana ary ny manodidina. Nifanena tamin’olona roa izay mampiahiahy izy ireo ka nanatanteraka ny fisavana avy hatrany. Hita teny amin’ireto olona ireto vovo-javatra mavo mavo miendrika ho toy ny vovo-bolamena ary Puce maromaro sy valopy misy soratra hafahafa. Nentina avy hatrany tao Tsaralalana izy ireo ary natolotra ny Sureté urbaine d’Antananarivo hanaovana fanadihadiana. Teo no fantatra fa olona efa karohina fatratra izy roa ireto ary mpisoloky amin’ny resaka vovo-bolamena. Nampantsoina avokoa moa ireo olona izay nitory azy ka vao tamin’ny 28 martsa lasa teo no voasaolokin’izy ireo vola mitentina iray tapitrisa Ar sy finday Samsung iray ny lehilahy iray. Milaza ho mpivarotra volamena izy roa ireto ary reseny lahatra eo ilay olona ka hakany izay vola hananany ary hakany finday fa milaza ho tsy manana finday hifampiatsoina izy ireo ka rehefa azony izay vola sy finday dia tsy hita intsony ny misy azy ireo. Fantatra ihany koa fa mpivady ireto olona ireo ary avy any Fianarantsoa any ny fiaviany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy mivady
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap