airtel

Actualités

19-juil-2022

Actualités

Fisondrotry ny vidim-piainana Aoka isika tsy hifanararaotra, hoy ny CFM

Sample post image

Nisy omaly ny antso nataon'ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihanana Malagasy tamin'ny alalan'ny Mpampaka-teny voalohany (Rapporteur général), Razafimahatratra Valisoa.

19-juil-2022

Nilaza ny CFM fa misedra zava-tsarotra isika Malagasy amin’izao fotoana izao, toe-javatra izay mitaky sy manery antsika hiray hina bebe kokoa ary hiaina ny tena Fihavanana : tsy fandriampahalemana, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe; fahantrana sy ny kere manery ireo mpiray tanindrazana hifindra monina sy ireo olana marolafy aterak’izany, izay mety hitera-doza raha tsy voavaha haingana. Manampy trotraka indray koa ny fisondrotry ny vidim-piainana, noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny zava-misy maneran-tany, eo ihany koa ny savorovoro ara-politika. Noho izany rehetra izany, mitady ho very fanahy mbola velona ny Malagasy, hoy ny CFM. Nisaotra ny Mpitondra ny amin’izay ezaka rehetra efa natao sy mbola hatao ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Malagasy, indrindra ireo marefo izay tsy mitsaha-mitombo ankehitriny, ka mila fanampiana haingana ary fikarohana sy fampiharana fepetra maharitra. "Aoka tsy hisy mihitsy hanararaotra an’ireo Mpiray tanindrazana izay efa vesaran’ny fahasahiranana samihafa. Aoka hifampitsinjo sy hifampitsimbina, araka ny fitenintsika manao hoe : « Tery omby ririnina ka tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny ». Atsaharo ny fifandrangitana. Manentana hatrany izahay CFM ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fifanajana, koa : mahaiza isika mifampiresaka sy mifampihaino, mba hahitana hatrany vaha-olana iraisana, ho amin’ny Fitoniana hisian’ny Fampandrosoana", hoy ny CFM. Tena misy fifampihainoana sy famahana olana ve anefa eto?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap