airtel

Actualités

04-juil-2022

Actualités

Fisorohana ny tanora mba tsy hanaotao foana Maro ireo tolotra misy amin’izao vakansy lehibe izao

Sample post image

Efa miditra tanteraka ao anatin’ny vakansy lehibe isika eto Madagasikara amin’izao. Faly sahirana ny Ray aman-dReny amin’ny ankapobeny.

04-juil-2022

Faly satria miala kely amin’ny fifohazana maraina loatra sy ny rotorotom-piainana nefa sahirana ihany koa amin’ny fanaraha-maso ireo ankizy sy tanora mba tsy hanaotao foana. Rehefa tsy misy hatao tokoa mantsy ny ankizy na tanora iray dia lasa mirona any amin’ny fanaovan-javatra tsy mahasoa toy ny fandraisana na fidorohana zava-mahadomelina ohatra, ny fidirana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra, ny fiankinan-doha diso tafahoatra amin’ny facebook….Mba hahafahana misoroka izany indrindra dia nampiditra ny fampianarana teny anglisy ao amin’ny sekoly misy azy ny sekoly ambony ISSUP na ny Institut Supérieur Privé Professionnel etsy Behoririka. Raha araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ity sekoly ambony iray ity Rabaritsimba Lalaina dia haharitra 2 volana izany fampianarana teny anglisy izany na 30 isaky ny kilasy ihany no raisina. Raisin’izy ireo daholo kosa na ireo afaka bakalorea na tsia. Tsiahivina moa fa anisan’ny tenim-pirenena voalohany hampiasain’ny olona ankehitriny ny teny Anglisy ankoatra ny teny Frantsay. Ny teny Sinoa no manaraka aorian’izany noho ny fisian’ny ampahatelon’ireo tera-tany Sinoa miparitaka maneran-tany raha mitotaly 1,3 miliara izy ireo.
Pati
Legende : Rabaritsimba Lalaina, filoha mpanorina ny sekoly ambony ISSUP
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap