airtel

Actualités

23-févr-2022

Actualités

Fitandrohana an-dRamose EPS Ataovy veloma ny vaton’ny mpampianatra e !

Sample post image

Vaovao isan’ny nitana ny sain’ny maro ilay tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Depiote MAPAR voafidy teny Antananarivo Atsimondrano Atoa andry Ratsivahiny sy

23-févr-2022

ilay mpampianatra ny taranja ara-panatanjahantena na EPS Ramose Njara. Samy manana ny heveriny fa marina, saingy niteraka fahasorenana sy fahatezerana ho an’ny mpampianatra sy ny ankamaroan’ny olom-pirenena ny endrika nisehoany. Nandeha ny fanambarana sy ny fanamelohana avy amin’ny Sendikan’ny mpampianatra EPS sy ny Sendikan’ny mpampianatra amin’ny ankampobeny. Hatramin’ny minisitry ny fanabeazana dia toa nanome felaka tehamaina ankolaka, raha heverina fa fanasaziana ilay mpampianatra no nandrandrain’ilay olom-boafidy mpomba ny fitondrana. Maro no nanasokajy ilay fihetsika ho fanambaniana sy fanivahivana ny mpampianatra, ary teo ihany koa ilay fanapariahana ankitsirano ny horonantsarin’ilay mpampianatra tsy nahazoana alalana. Misy akony ara-politika io, ary manaratsy endrika ny Fitondrana TGV-MAPAR, naman’ny veloma hatreo ny vaton’ny mpampianatra amin’ny fifidianana ho an’ny Fanjakana Rajoelina. Mahatezitra sy mandona ny hambom-pon’ny ny mpampianatra sy ny mpanabe, izay efa sady atao kely karama ireny, ary efa maro no tofoka amin’ny fihetsika mamoafadin’ny Fanjakana sy ny manam-pahefana momba ny fanabeazana. Isan’ireny io raharaha fandokondokoana ny efitranon-tsekoly amin’ny loko politika io. Angaha ny mpampianatra sy ny mpanabe TGV avokoa kanefa tsy maintsy manaraka sy mampianatra anaty efitrano miloko politika? Misy fenitra tokony harahina izany loko ampiasaina amin’ny efitranon-tsekoly izany, saingy tsy te hahalala izany ny Mpitondra. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-39 dia milaza mazava fa ny “Ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandaniana ara-politika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny Foloalindahy, ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana, ny fampianarana ary ny fanabeazana”, saingy ilay fanjakana mihitsy ankehitriny no mandoko volombosary ny fanabeazana. Moa tsy efa izany ve no nanakianana ny TIM tamin’ny fotoan’androny raha nanao ny TIM fanabeazana ?
OMEO HAJA SY HASINA
"Amiko dia tsy ato amin’ny facebook no handaminana ny olana mahakasika ny tokantrano, ny fiarahamonina, ny Firenena, ny finoana », hoy ny minisitry ny fampianarana Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle, omaly manoloana ity raharaha ity . « Tsy anjarako ny manome lesona momba ny fitondran-tena, ny fitaizana satria samy tompon’andraikitra amin’ny teny, fihetsika ataony isika lehibe. Kanefa mahakasika fanabeazana ity raharaha ity izay tsy averina intsony hoe andry iankinan’ny Firenena. Ny mpampianatra no antoky ny fampitana ny fahalalana amin’ny zanantsika. Tsy maintsy arovana izy. Omeo ny haja, ny hasina, ny lanja sahaza azy satria « Ny mpampianatra no naha toy izao ahy, anao, antsika». Teny kely ho fiarovana ny zon’ny ankizy: Aza afindra any amin’ny kilonga ny hatezerantsika. Atoroy ny lalana tokony alehany am-pitiavana izy", hoy ny Minisitra Sahondraharimalala Marie Michelle.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap