airtel

Actualités

24-févr-2021

Actualités

Fitantanana ny fakon’Antananarivo Nofoanana ny SAMVA, raisin’ny CUA ny raharaha

Sample post image

Nofoanana ny rafitra SAMVA izay nitantana ny fakon’Antananarivo teo aloha.

24-févr-2021

 

 

Nanome fanampim-panazavana mikasika ny fanafoanana izany izay tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta, ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany tamin’izany ary fa averina amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny fako sy ny fanadiovana eto Antananarivo renivohitra. Natsangana ny rafitra “Société Municipale d’Assainissement”, ka ireto farany no handray an-tanana feno sy hampiasa ireo fitaovana nomena sy nampiasain’ny SAMVA hatramin’izay. Na izany aza dia tsy misy ny fandroahana mpiasa raha araka ny fantatra hatrany. Ireo mpiasa teo anivon’ny SAMVA teo aloha ihany mantsy no nampidirina ao anatin’io rafitra io saingy mitaky fahamatorana sy fahavononana kosa izany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fofona dia miteraka aretina maro ihany koa ny fisian’ny fako miparitaka eto an-drenivohitra, indrindra fa amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

 Pati

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap