Sakamanga Antsahavola omaly. Ny sazy ambony indrindra amin’ny fanafihana mitam-piadiana dia famonjana mandra-pahafaty, hoy izy ireo. Maharary antsika rehefa ny fananantsika no robaina. Mety ho rariny raha vola na finday na zavatra hafa no very ka asiana raharaham-pihavanana fa tsy manaiky kosa izahay raha ny vatana sy ny fanahy maha olona no robaina sy zimbazimbaina ka mbola misy mpampihatra lalana hanao raharaham-pihavanana anatin’izany, indrindra, raha ankizy na zaza no niharam-boina. Tsy natao hialofan’ny mpanao ratsy ny fihavanana sy fivavahana fa ahafahana manameloka ny mpanao ratsy sy miaro ny maha olona aza. 200.000 ariary no saran’ny fitsaboana raha misy niharan’ny fanolanana, raha ny fanadihadiana nataonay. Firy isan-jaton’ny tokantrano Malagasy no manana izany? Manana ivon-toerana handraisana ireo zaza voaolana izahay any amin’ny faritra Atsinanana. Arahana hatramin’ny farany ireo fitarainana noho ireo tranga fa manjavona eny anivon’ny zandarimaria. Misy ny ezaka ataon’ny fanjakana fa tsy ampy. Tsy hitantsika ny iainan’ny mpikarakara ireo zaza ireo any ambany ravin’ahitra any. Kenda izahay satria tsy tonga hatramin’ny farany ny adinay. Aoka izahay! Ain’olona no zimbazimbaina. Mila hamafisina ny fanohanana ireny zaza niharan’ny herisetra anivon’ny fiarahamonina ireny. Aza atao sarisarin’ady hoe lamaody ny ady amin’ny fanolanana dia mody manao izay fa rehefa tena hiady dia andao hiady, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny Sakamanga Antsahavola omaly
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,