airtel

Actualités

08-oct-2021

Actualités

Fitazonana ny vidin-tsolika Ananan’ireo Kaompania 47miliara Ar ny Fanjakana

Sample post image

Mahatratra 47 miliara Ar ny trosa ananan’ireo kaompanian-tsolika amin’ny Fanjakana noho ny resaka fitazonana ny vidin-tsolika,

08-oct-2021

 raha ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo na ny OMH Atoa Laurent Rajaonarivelo omaly. Nambarany fa niakatra ny vidin’ny solika taorian’ny krizy ara-toekarena maneran-tany, miakatra be ny filàna solika, indrindra amin’ny firenen-dehibe. Mbola somary mitazona ny “quota” amin’ny famatsiana ireo mpamatsy solika noho ny fisian’ny OPEP+. 60 dolara teo ny barila taorian’ny krizin’ny coronavirus, nidina 37 rehefa tao anatin’ny krizy lalina satria nihena ny filàna. Tafiaka any amin’ny 80 dolara, noho ny fiverenan’ny toekarena. Nambara fa tsy mikitika ny vidin-tsolika isika ho fitsinjovana ny vahoaka ao anatin’izao fahasahiranana izao. Tsy mbola misy fikitihana, mbola tazonina ny vidin-tsolika tapaka tamin’ny jona 2019, ka mijanona 3400Ar ny litatry ny gazoala, 4100Ar ny lasantsy, 2130Ar ny solitany, hoy ny fanazavana. Raha tany amin’ny volana aogositra dia 45-46 miliara dolara teo ny trosa, mbola hojerena miaraka amin’ny kaompanian-tsolika ny momba izany. Tany amin’ny volana mey 2020, raha nihena be ny vidin-tsolika iraisam-pirenena, dia tsy mba nihena toy ny tany amin’ny firenen-kafa isika satria nolazain’ny Praiminisitra tamin’izany fa manodidina ny 100 miliara Ar ny trosan’ny Fanjakana amin’ny Kaompanian-tsolika. Nolazaina fa septambra na oktobra 2020 teo no mety afaka hanao fanintsiana ny vidin-tsolika, saingy tsy nisy fiovana, tsy mba nisitraka izany fidinana izany toy ny firenen-drehetra ny Malagasy satria nahita fanazavana hatrany ny Fanjakana nenti-niala tamin’izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap