airtel

Actualités

15-juil-2021

Actualités

FITRAMA-HAFARI Malagasy Manohana ireo ekipam-pirenena Malagasy Rugby

Sample post image

Ankoatra ny asa fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry sy ny fikarakarana ny sosialim-bahoaka dia miroso tanteraka amin’ny fanatsarana sy ny fanohanana ny sehatry ny

15-juil-2021

fanatanjahantena eto amintsika ihany koa ny mpitsabo Malagasy FITRAMA sy ny Hafari Malagasy, tahirin-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Nosinganiny manokana tamin’izany ireo mpilalao ao anatin’ny Rubgy à XV.
NEGATIF AVOKOA
Anisan’ny nanehoan’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA ny fahaizany ireo ekipa nasionaly Malagasy ao amin’ny Rugby à XV nandeha namonjy lalao tany Nanibie sy Cote d’Ivoire ary Ethiopie. Nanaovana ilay fitsaboana ny corona mandritra ny 5 minitra monja izy ireo no sady novatsiana huille essentielle sy menaka fanorana niarovany tena. Ny tanjona tamin’izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina dia ny mba hahafahana miaro ny mpiray tanindrazana amin’ity areti-mandringana ity. Negatif avokoa ireo mpilalao ireo rehefa tafaverina soa aman-tsara teto an-tanindrazana izay nahafaly ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy tokoa. 600.000 Ar Ankoatra ny fijerena ireo ekipam-pirenena ao amin’ny Rugby a 15 dia fantatra ihany koa fa nanolotra fanamiana na maillot ho anireo mpilalao ao amin’ny TAM Anosibe mitentina 600.000 Ar Rafanomezantsoa Jean Nirina. Fitiavana tsy misy tambiny sy takalony no nanaovany izany raha araka ny fanazavany entina hanampiana ny mpiara-belona. Tsy manana volabe any amin’ny banky ny tenako hoy izy no sady tsy mitahiry vola ao an-trano fa izay kely hananako no zaraina. Vao mifoha maraina aho hoy izy dia mino fa tsy maintsy ahita hanampiako ny mpiara-belona amiko. Notsiahiviny moa fa tsy mitady seza isy, tsy hanao filoham-pokontany no sady tsy hanao Ben’ny tanana no sady tsy hanao solombavambahoaka ihany koa. Ampy ahy ny tanjaky ny fiaraha-monim-pirenena HAFARI Malagasy izay tantanako hoy izy.
MITSABO NY ARETINA REHETRA
Hantitranterina hatrany moa fa mitsabo ny aretina rehetra ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA misokatra ny Sabotsy sy ny Alahady amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva. Anisan’ireny ny aretina diabeta, ny prostaty, ny tension, ny fibrome, ny mangotsokotsoka, ny aty, ny vavony, ny mandoha afero, ny rivotra, ny rein, ny lehilahy sy vehivavy tsy mety miteraka, ny goty, ny romatisma, ny fo, ny asma, sempotra, ny tsy fahitana torimaso, ny aretin-tsaina, ny fery tsy mety sitrana, ny vay… Ho an’ny resaka firaisana ara-nofo dia afaka manoro hevitra ny mpivady ihany koa izy ireo hisorohana ny fampirafesana. Anisan’izany ny tsy fihenjanan’ny filahiana, ny fahatongavan’ny tsiron’aina aloha loatra ho an’ny lehilahy, ny tsy fahazoana zaza….Mampiditra mpiasa manao fianaran’asa moa izy ireo ankehitriny. Ao anatin’ny 2 volana no hanatanterahana izany, 18 ka hatramin’ny 28 taona saingy mbola tsy manam-bady kosa. Mamorona asa ho an’ny mpiara-belona koa izy ireo toy ny fiompiana akoho manatody lava, ny asa fivarotana, ny asa fikarakarana vato.
IRETO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap