airtel

Actualités

27-janv-2021

Actualités

Fitsarana sy ny voafonja Nomen’ny PNUD fampitaovana 200 000 dolara

Sample post image

Nanolotra fampitaovana mitentina 200.000 dolara Amerikanina tafiditra

27-janv-2021

 

 

 

anatin’ny tetikasa fanamafisana ny tany tan-dalàna amin’ny ankapobeny ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) omaly. Noraisina teny amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana teny Faravohitra izany. Anizany ny solosaina maro, fitaovana informatika isan-karazany, ary fampitaovana fampiasa amin’ny birao, niampy fampitaovana hafa hanohanana ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eny anivon’ny fonja, toy ny kidoro sy « gel désinfectant ». Hotsinjaraina amin’ireo fitaleavana eo anivon’ny Ministera foibe, ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Ankazoabo, Fianarantsoa, Ambovombe, Ampanihy, Tolagnaro, ny Fitsarana an-Tampony, ireo Fitsarana Ambony eto Antananarivo, ao Fianarantsoa, ao Toliara. Tsy ho diso anjara ny fandraharahana ny fonja sy ireo Trano Aro Zo eto Antananarivo, ao Tolagnaro, ao Toliara, ao Manakara, ao Mananjary ary ao Farafangana. Nambaran’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn, fa izao no natao dia mba ho fanosehana ny ezaka amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hoenti-manana eo anivon’ny Fitsarana, hanafainganana ny raharaham-pitsarana ho fitandroana ny zon’ny vahoaka. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, indrindra amin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao. Nohamafisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo fa vonona hatrany ny Ministera tarihiny, hanohy ny ezaka rehetra ho fanatsarana ny asa. Tanjona ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, mba ho fitandroana ny zon’ireo voafonja. Nomarihiny manokana ny fanaraha-maso akaiky ny fahatongavan’ireo fitaovana tsirairay avy any amin’ireo izay tokony hisitraka izany ary ny fampiasana sy fikajiana azy ireo.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap