airtel

Actualités

24-nov-2021

Actualités

Fitsidihana tany Atsimo Nisy fiarana minisitra nivadika ary potika ?

Sample post image

Fiaram-panjakana ampiasaina minisitra iray no tra-doza, nivadibadika tany Atsimo tany, raha ny loharanom-baovao azo.

24-nov-2021

Voalaza fa tsy nitondra ny mpamily io minisitra io, fa nomeny nentin’ny rahalahiny ny fiara, saingy tra-doza ka nivadibadika. Potika tanteraka ilay fiaram-panjakana tsy mataho-dàlana “V8” fa nafenina ny raharaha, hoy ny loharanom-baovao. Tsy nisy akony mihitsy satria nezahina notakonana, izay toa midika fa tsy tamina iraka sy asa ofisialy no nampiasana azy. Manana ny mpamiliny manokana ny minisitra, saingy mahagaga fa ny rahalahiny no nitondra ny fiara mba tsy hilazana fa nampiasa ny fiara, raha zohiana ny raharaha. Fiaram-panjakana, fananam-bahoaka, handaniana volam-bahoaka ny fanetsehana azy. Moa ve tena iraka ara-panjakana no nampiasana azy sa mety antony manokana? Fa efa lasa fananam-pianankaviana ve ny Minisitera sy ny fiaram-panjakana no misy karazana kiantranoantrano tahaka izany. Tsy vao izao no nisiana fiaram-panjakana no nampiasaina tamin’ny tsy tokony ho izy tahaka izany. Ny 7 desambra 2019, fiaram-panjakana iray raitra dia raitra natao “tête de cortège” tamina mariazy, ka niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Voalaza fa avy eo fa an’ny Tahirimbolam-panjakana ilay fiara. Nanao fanambarana an-tsoratra ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta ny 8 martsa 2019 fa “tsy azo ekena ny fampiasana fiaram-panjakana amin’ny antony manokana tahaka ny mariazy na raharaham-pianakaviana hafa”. 72 ora monja taorian’izay, dia nilatsaka ny didy, nesorina tamin’ny toeran’ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana tamin’izany fotoana izany. Asa hanao ahoana ity raharaha iray ity. Tsy mahafantatra ny fisian’izany ve ny governemanta? Hanao fandisoana ofisialy ve ny Fanjakana ka hilaza fa tsy nisy fiarana minisitra nivadibadika sy potika tanteraka izany? Miandry ny mety ho fanazavana na fandisoana avy amin’ilay minisitra na ny departemanta misy azy na ny governemanta isika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap