airtel

Actualités

18-juil-2022

Actualités

Fleurydo , karohin’ny zandary Nisy nahatazana nisaodisaody teny Ambatobe

Sample post image

Niafiana tao amin’ny tranon’ny depiote iray eny Ambatobe, ilay tovolahy antsoina hoe, Fleurydo Gabriel, izay voalaza ho sakaizan’ny mpanakanto Wendy Cathalina teo aloha ary voalaza ho nanaparitaka ilay horonantsary mamoafady

18-juil-2022

misy ity mpanakanto ity farany teo, hoy ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera, Fernand Cello. Mbola karohina satria tsy tonga teny amin’ny zandary mihitsy i Fleurydo, hoy izy, hatramin’ny anio (TTF: ny sabotsy teo). Nanomboka ny zoma 8 jolay no efa narahana akaiky ny toerana misy an’i Fleurydo ary fantatra fa ao amin’io Solombavambahoaka io. Tonga hanao ny fisamborana ny zandary omaly 15 jolay maraina be rehefa tena voaporofo fa ao izy no miafina. Nanatona ny vavahady ireo zandary fa tsy nety namoha ilay mpiambina fa nihazakazaka niditra tany anatiny. Naharitra minitra maro vao niverina ilay mpiambina ka namoha ilay vavahady, nanondro ny tranon’ity solombavambahoaka ity ka nilaza hoe "Mandehana ery fa eny ny olona tadiavinareo." Misy vavahady hafa moa ao anatin’ity villa ity ary efa nisokatra ilay vavahady rehefa tonga teo ny zandary. Tsy afaka nisava ny zandary fa tranon’ny solombavambahoaka ilay toerana fa i depiote kosa no nanao ny fitarihana na "formalité " hoe andao jereo fa tsy ato amiko izy. "Matahoatra ho “Mandat de dépôt" sy havoaka gazety i Fleurydo ka izay no antony tsy hanatonany anareo. Nanamboatra ny fiarako no nankanesany taty ary misy fiaraha-miasa saika ho ataonay. Nisy fety tato amiko dia teto ry zareo fa “Malheureusement” izaho tsy manana “numéro” an’i Fleurydo fa “Messenger” no iresahako aminy. Any Mahajanga aho tamin’iny zavatra nitranga iny Ka nantsoiko tamin’ny telefaoniny izy ka namaly ahy hoe nisy nipiraty hono ny kaonty Facebook no nahatonga ilay “video” niparitaka.», hoy ity solombavambahoaka ity rehefa nanazava tamin’ny zandary. Nasaina nisy nanara-maso ny teo amin’ny manodidina omaly (TTF: ny zoma teo) tontolo andro ka rehefa nanomboka hariva dia toa nahatazana lehilahy miisa 2 kaodikaody nibata sakaosy nivoaka ny toerana ka niditra tao amin’ny trano iray tsy lavitra teo, izay ao anaty tamboho iray ihany. Tsy niala teo mihitsy ireo olona nasaina nanara-maso ka tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tany ho any no nahatsikaritra fiara mitovy amin’ilay fiara nentin’i Fleurydo, izay lasa nivoaka ary naharitra antsasakadiny vao niverina. Tsy tonga dia niditra anefa ilay fiara fa nandeha nizotra nankany Masinandriana. Mbola manao "pointage " ary arahi-maso isaky ny talata eny aminy mpitsara mpanao famotorana eny Anosy i Fleurydo satria “sous contrôle judiciaire" amina raharaha hafa, mbola misy fitorian’olona azy ihany koa ao amin’ny BC Anosy satria toa hoe nanao "détournement de mineur" dia ity hoe karohin’ny zandary ity indray. Nilaza moa i Fleurydo fa atrehiny izay mitranga amin’ity raharaha hiantsoana azy eny amin’ny zandary ity kanefa lasa nandositra sy niafina, hoy hatrany i Fernand Cello.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap