airtel

Actualités

25-juil-2025

FOARA TRANO ANDIANY FAHA-4

Fahombiazana sahady ny andro voalohany

Sample post image

Fahombiazana sahady ny Foara Trano andro voalohany, tanterahina nanomboka

25-juil-2025

omaly Alakamisy 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina, karakarain’ny Master Agency. Olona marobe sahady mantsy no tonga nitsidika ny hetsika izay marihina fa nahitana sokajy maro. Lohalaharana amin’izany ireo vao hanamboatra trano. Misy koa ireo efa manamboatra mihitsy ankoatra ireo vao manam-pikasana ary efa manomboka manangona fitaovana tsikelikely. Ho an’ny Mora Tole manokana izay anisan’ny mandray anjara amin’ity Foara Trano ity dia nambaran-dRtoa Kesia fa ny tafontrano no tena be mpividy indrindra no sady manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro. Manana ireo karazana tafo mamaly ny filan’ny mpanjifa rehetra mantsy izy ireo toy ireo tsy mety arafesina, ireo tafo plastika, ireo manaraka ny lokon’ny trano izay tadiavin’ny tompony….Afaka manoro hevitra ihany koa izy ireo no sady mitatitra izay maimaim-poana ho an’ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hifarana amin’ny Alahady 27 Jolay ho avy izao ny hetsika. Tsy misy ny vidim-pidirana fa maimaim-poana.
Pati
Legende : Ny tafontrano no tena be mpitady eto amin’ny Mora Tole hoy Rtoa Kesia !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap