Miseho amin’ny endrika maro izy io, antony tsy hahitan’ny sasany asa fivelomana mihitsy na koa tsy hahazoan’ny vehivavy vady. Betsaka amin’izy ireny anefa no tena manamm-pikirizana, antony nanosika ny Fondation Axian hanolotra fanampiana ho azy ireo. Am-polony maro omaly teto an-drenivohitra no notolorana bodofotsy mafana. Ankoatra ity farany dia nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Fondation Axian fa manome vola isam-bolana ireo olona manana fahasembanana ihany koa izy ireo mba handoavan’izy ireny ny saram-pianaran-janany sy ny hofantranony ho an’ireo tena sahirana. Manampy ireo fikambanana miahy ny ankizy kamboty ihany koa ny fikambanana, miezaka mampitombo ny tahan’ny zaza Malagasy miditra an-tsekoly amin’ny alalan’ny fananganana EPP raha tsy latsa-danja amin’izany ny fananganana CSB hahafahan’ny mponina mitsabo tena.
Pati
Legende :
Tsy ireo olona manana fahasembanana ihany fa tsy diso anjara ihany koa ny vehivavy sy ny ankizy sahirana
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,