airtel

Actualités

14-sept-2022

Actualités

Foto-drafitrasa ao Ankadikely Ilafy Horaisin’ny fikambanana Miotisoa ny fanadiovana sy fikojakojana

Sample post image

Ilana fanaraha-maso akaiky ny fikojakojana ireny karazana foto-drafitrasa misy eny anivon’ireny kaominina ireny mba holovain’ny taranaka faramandimby.

14-sept-2022

Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana dia fantatra fa horaisin’ny Fikambanana « Miotisoa » amin’ny fomba ofisialy manomboka ny 22 Septambra ho avy izao ny fanadiovana amin’ny ankapobeny ny tanàna sy ny fikojakojana ireo foto-drafitrasa azo avy amin’ny tetikasa « Lalan-kely fahatelo » amin’ireo Fokontany miisa telo vao notokanana vao haingana. Anisan’izany ny ao amin’ny Fokontany Manjaka, Ambohibe ary Antsampandrano. Nisy araka izany omaly Talata tao Biraon’ny Kaominina ny fanaovana ny atrikasa ho fankatoavana izany natrehan’ireo solontena avy amin’ny « GRET » sy ny « Enda Madagascar » ary ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina, ny avy amin’ny Fikambanana « Miotisoa » sy ireo Fokontany voakasikin’ity tetikasa ity ary ny solontenan’ny vahoaka eny ifotony.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra omaly
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap