airtel

Actualités

09-avril-2021

Actualités

Gérard Ramamimampionona « Tsy tokony hisy fanararaotana amin’izao… »

Sample post image

Ny tsirairay no aro ho an’ny tenany hoy Gérard Ramamimampionona tompon’andraikitra eo anivon’ny

09-avril-2021

 

 

 

 “Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy” amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika izao, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy omaly. Lohalaharana amin’izany ny fanaovana aron-tava, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra ary ny fanasan-tanana aminny savony. Ankoatra izay anefa hoy izy dia tokony samy handray ny andraikiny ny rehetra toy ny sefom-pokontany, ny Ben’ny tanàna…. hatramin’ny Fitondram-panjakana hanao ny fanentanana. Na izany aza anefa hoy izy mialohan’ny hametahana ny aron-tava dia tokony hametraka ny aron’ny fo sy ny fanahy ny tsirairay ka tsy sanatria hanararaotra ny mpiara-belona. Fotoana fanehoana ny firaisankina sy ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy izao hoy hatrany izy ka mba tena ho maimaim-poana ny fanafody omena ny marary eny amin’ny hopitaly fa tsy mamay foana. Rehefa tsy mivaly amin’ny tena izao mantsy ny ratsy hatao tahaka izao hoy izy dia tsy maintsy mivaly amin’ny taranaka.

 Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap