airtel

Actualités

21-juil-2021

Actualités

Gidragidran’ny Karieran’Andilana Avaratra Voakorontan’ny lakrimozenina ny mpanala BEPC

Sample post image

Raikitra indray ny sakoroka tany amin’ny Karieran’Andilana Avaratra any amin’ny Distrikan’Amparafaravola ny alatsinainy 19 jolay lasa teo.

21-juil-2021

Ity kariera ity, izay marihina fa misy vato lafo vidy « bérylium », ary efa matetika nisy fifandonana noho ny fanesorana ireo mpitrandraka. Ny 22 mey, dia niafara tamin’ny fahafatesan’olona rehefa niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana teo anatrehan’ny fitakian’ny mpitrandraka sy ny mponina. Nambara fa hisy ny fanadihadiana eo anatrehan’ny fisiana aina latsaka, saingy hatreto tsy fantatra ny tohiny, matimaty foana toy ny valala nosamborim-boaka. Taorian’ny sakoroka, nandeha ny dinika ahafaha-manokatra ny kariera ka nampanantenaina ny hanokafana ny kariera, ka ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fepetra, ary indrindra ny zo maha olona. Tsy fantatra mazava intsony izay fivorany momba io fisokafana io, saingy roa volana aty aoriana, dia mifoha io indray ny gidragidra. Nidina an-tsehatra nandroaka ireo mpitrandraka indray ny Mpitandro ny filaminana izay voalaza fa teo ambany fitarihan’ny OMC (Organe Mixte de Conception). Nisy fisokafana indray izany, saingy sokajiana ho tsy ara-dalàna matoa raikitra ny fandroahana. Manodidina ny 200m raha be indrindra ny elanelan’ny sekoly sy ny kareira, ary tao anatin’ny fanatanterahana indrindra ny fanadinam-panjakana BEPC mihitsy no nirefodrefotra ny lakrimozenina izay manodidina ny 12 isa teo sy ny poa-basy tsy nifankahitana. Voakorontana noho izany ireo tanora niatrika ny fanadinam-panjakana. Mety tafiditra ao anatin’ny fampiharana lalàna ny fandroahana mpitrandraka fa moa tsy maintsy tamin’io fotoana io ve ? Sao dia mba efa tsy rariny intsony ?hoy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra.

EFA NAMOAKA 28 MILIARA ARIARY
Henjana ny zavatra iainan’ireo mpitrandraka satria midina any anaty lavaka 60 hatramin’ny 80m ary misy ny mety maty tototra any ankoatra ny sakoroka. Voalaza fa 28 000 000 000Ar ny valeran’ny harena efa nivoaka avy ao amin’ny Karieran’Andilana Avaratra, araka ny fanazavan’ny olom-boafidy iray. Saika efa mihaodihaody any hatrany ireo mpibizina amin’ny endriny samihafa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, toy ny vahiny Sri Lankais. Matoa mbola tonga amin’ny sakoroka tahaka izao, dia midika fa mbola tsy milamina ny lafiny maro, toy ny fepetra amin’ny fitrandrahana, ny tamberim-bidy sy ny vola miditra amin’ny toerana sy ny Fanjakana,… Mety mandeha ihany koa ny ketrika sy ny kajikajy avo lentan’ny manam-pahefana isam-baratongany noho ny fofom-bola.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap