airtel

Actualités

26-mars-2021

Actualités

Gilbert Raharizatovo Aretin’ny taovam-pisefoana no nahafaty azy

Sample post image

Maloka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny famakafakana ara-politika. Lavo ny andrarezina

26-mars-2021

 

 

satria nindaosin’ny fahafatesana omaly teo amin’ny faha-73 taonany ny mpanao gazety Gilbert Raharizatovo. Tsy misy tsy mahalala azy angamba raha mbola olona mpanaraka raharaham-pirenena satria matetika no hahenoana ny feon’izany Gilbert Raharizatovo izany. “Bronchite chronique” na aretin’ny taovam-pisefoana efa naharitra no voalaza fa isan’ny nandavo azy. Efa Minisitry ny serasera tamin'ny tetezamita izy, mpanao gazety mpanao famakafakana politika, havanana amin'ny resaka "géopolitique" ary tena nahafehy ny tantara sy ny fizotry ny raharaham-pirenena teto Madagasikara. Niasa tao amin’ny Televiziona Malagasy fahiny, ankoatra ny vaovao ary nanana ilay fandaharana antsoina hoe “IMASO” izy nanasany mpanao politika sy mpitondra teto amin’ny firenena. Anisany fandaharana nisongadina tamin’izany ny nanasan’i Gilbert Raharizatovo ny filoha Didier Ratsiraka ny taona 1996. Ara-politika, dia efa solombavambahoakan’I Madagasikara voafidy teny Ambohimanarina Boriborintany fahaenina eto Antananarivo izy rehefa nirotsaka hofidiana tany amin’ny taona 1997-1998. Ny andrarezin’ny politika tamin’ny fotoan’androny dia ny Pasitera Richard Andriamanjato izay vao avy Filohan’ny Antenimieram-pirenena no nifaninana taminy, saingy resiny tamin’izany andro izany. Tsangam-baton’ny asa fanaovan-gazety, ary namela mamy, mipetraka ho filamatra hotarafin’ireo zandry zanaka aty aoriana I Gilbert Raharizatovo. Namela ny vadiny sy ny zanany vavy tokana izy izao lavo izao, ankoatra ny tontolon’ny fanaovan-gazety, ny mpanara-baovao, ny olom-pirenena,… izay mahatsiaro ho very olomanga eo anatrehan’ny fahalasany. Ny Fianakaviam-ben’ny fanoratana eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo tanteraka sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap