airtel

Actualités

04-mars-2022

Actualités

Goragora ny fampiharana lalàna Feno eny an-tsena indray ny akanjo “vert armée”

Sample post image

Miparitaka be eny an-tsena indray amin’izao ireny karazan’akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny na ny vert armée.

04-mars-2022

Tsy hanavahana intsony izany na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe fa saika hita eny an-tsena avokoa. Raha tsiahivina kely anefa dia nisy ny fanenjehana mpivarotra sy fisamborana ny olona nanao ireny akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny teo aloha. Nisy mihitsy ny fe-potoana nomen’ny fanjakana ireo olona voakasika ao anatin’izany izay tsiahivina fa tena nisy fanaraha-masobe sy fitetezana tsena mihitsy. Tsy re feo intsony indray anefa izany volana vitsy taty aoriana. Inona marina ary izany no tena tian’ireo tompon’andraikitra hahatongavana ? Sa handrakandramana avokoa ny zava-drehetra ? Raha tsiahivina anefa dia tsy hafarana ireny karazana fitafiana mitovy amin’ny fanamiana miaramila ireny fa vita eto amintsika ihany izany hoe : vita Malagasy. Tsy tokony ireo mpivarotra izay mitady tombony kely na ireo olona manao ilay fitafiana araka izany no henjehina fa ilay orinasa mamokatra sy manaparitaka izany mihitsy.
Pati
Legende : Bedy dia avy eo tsy bedy indray , goragora loatra ny fampiharana lalàna eto
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap