airtel

Actualités

09-déc-2022

Actualités

Grevy eny amin’ny lapan’Anosikely Afaka miasa ihany ireo loholona saingy…

Sample post image

Mivoatra ny toe-draharaha ao amin’ny Antenimierandoholona na mbola tsy voaloa aza ny karaman’ny mpiasa izay nitokona.

09-déc-2022

Raha ny loharanom-baovao azo antoka, nihaona tamin’ireo sendika ny Birao maharitra ny takarivan’ny talata 6 desambra 2022 lasa teo, niangavy sy nitalaho mba handeha ny fandaniana ny fandaharam-potoana na ny “Ordre du jour”. “Nikasa hanao an'io ry zareo saingy nomena ny toromarika hoe: ny mpiasa rehetra tsy misy mody fa mitokona ato amin’ny efitrano fivoriana 6 ora hariva, ka izay no voalaza fa antony niantsoana azy ireo hiresaka. Ny nifanarahana, rehefa naseho ny mpiasa ny taratasy hanaovana ny “aménagement interne” handoavana ny karamany volana novambra sy desambra ary ilay “prime” faran'ny taona, dia nanapa-kevitra ny sendika fa afaka mandinika ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana na PLFI 2023 ny loholona, saingy io ihany fa miandry avokoa ny ny fandaniana ireo volavolan-dalàna na “Projet de loi ordinaire” rehetra mandra-piandry io karama mitontona io”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpiasa. Izay no nampisy ny fandaniana ny fandaharam-potoana omaly maraina ary anio hariva ny fandaniana ny PLFI 2023. Hatramin’ny omaly hariva naharaisana ny fampitam-baovao dia voalaza fa tsy mbola voaloa ny karama novambra, saingy efa mandeha ny dingana, ka izay no nanoloranay io fanapahan-kevitra io, hoy ny Fama sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Antenimierandoholona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap