airtel

Actualités

19-juil-2022

Actualités

Haintrano tany Antalaha 6 tapitrisa Ar ny fananana lasa lavenona

Sample post image

Maromaro ireo olona traboina ao amin'ny Fokontany Maherifody, sektera 05 Belle Rose, Antalaha amin’izao fotoana izao.

19-juil-2022

Tsy misy mahita aleha izy ireo fa mipetraka any amin’ireo fianakaviany na any amin’izay olom-pantany mahazaka azy sisa. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny alin'ny alakamisy 14 Jolay lasa teo tokony ho tamin'ny 08 ora alina no niseho ity haintrano ity.Trano ahitana efitra 03 no may kila hotohoto’ny afo niaraka tamin'ny entana tao aminy. Labozia no niatombohan'ny afo, raha ny nambaran'ny tompon-trano. Soa ihany anefa fa tsy nihitatra izany.Nifanampy tamin'ny famonoana ny afo ny fokonolona saingy na izany aza dia nihitatra hatrany ny afo.Levona tao avokoa ireo fananana nohariana aman-taonany maro, mitentina 6 000 000 Ar hoy hatrany ny vaovao. Mahatsiaro ho sahirana ity fianakaviana ity noho izany koa manao antso avo amin’ireo malala-tanana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap