airtel

Actualités

27-juil-2022

Actualités

Haintrano tetsy Ankadifotsy Olona am-polony no tsy manan-kialofana

Sample post image

Nitrangana haintrano omaly folakandro teny Ankadifotsy, Boriborintany fahatelo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia trano hazo no niandohan’ny afo.

27-juil-2022

Niitatra hatrany izany ka nahazo ireo tokantrano 7 hafa manodidina izay misy olona am-polony. Vokany, tsy manan-kialofana avokoa ireo farany. Zaza amam-behivavy anefa ny ankamaroany ary tsy manana afa-tsy ny fitafiana eny an-kodiny sisa. Raha araka ny vaovao azo hatrany mantsy dia lasa lavenona avokoa ny entana tao an-tokantranony rehetra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra vokatry ny ezaka nataon’ny sampana mpamonjy voina. Raha araka ny feo mandeha hatrany moa dia nisy ny nilaza fa niniana nodorana ilay trano niandohan’ny afo. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap