airtel

Actualités

19-déc-2022

Actualités

Halatra sy haro-paosy Olona 7 no voasambotra teny Isotry

Sample post image

Olona miisa fito, ka vehivavy ny iray no voasambotry ny Polisim-pirenena tao amin’ny faritra iadidian’ny kaomisaria CSP4 Isotry ny 17 desambra teo rehefa nanendaka sy nangarom-paosy.

19-déc-2022

Mba hisian’ny fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fety izao dia miara-misalahy hatrany ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny Polisim-pirenena . Isan’ny nanaovan’izy ireo andrimaso tamin’izany ny tao amin’ny faritr’Isotry izay be mpifamezivezy ; niarahan’ireo Polisy miasa ny avy ao amin’ny Unité Spécialisé de la Police Nationale (USPN) , ny Service Anti-gang » (SAG), ny « Unité Spécialisée d'Intervention » ao amin’ny central , ny « Unité d'Intervention Rapide» (UIR) ary ny « Brigade Féminine de Proximité »(BFP). Nanao fanamiana sivily izy ireo ka napetraka ny paikady mba hanara-maso ny any anaty olona rehetra any. Nahitam-bokany izany ka nahafahana nisambotra azy fito mianadahy ireto. Ny sasany manararaotra mangarona ny paosin’ireo olona variana mijery zavatra raha tsiahivina, ny hafa kosa misintona ny zavatra eny am-pelatanan’olona… Ireto farany moa izay noraisim-potsiny rehefa narahan’ireo Polisy maso. 18 ka hatramin’ny 35 ny sala-taonan’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy fito mianadahy
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap