airtel

Actualités

13-déc-2022

Actualités

Halatra zaza varira tany Ikongo 15 mianadahy nosamborina tao Ihosy

Sample post image

zazalahikely varira vao 05 taona monja no nalaina lehilahy miisa 03 an-keriny tao an-tranony tany amin’ny distrikan’Ikongo, andro vitsy lasa izay.

13-déc-2022

Ny sasany tamin'ireo mpaka an-keriny kosa efa niandry tany Fianarantsoa hitondra ilay zaza ho any Ihosy. Nahazo loharanom-baovao ny Polisy tao Ihosy noho izany fa misy andian'olona mampiahiahy miaraka amin'ny zaza varira tonga eny amin'ny tobim-piantsonana. Nidina teny an-toerana avy hatrany iretsy voalohany ka raha vao nahita azy ireo, ireo mpaka an-keriny dia nirifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka olona miisa 15 no voasambotry ny Polisy. Ilay zaza varira kosa avotra soa aman-tsara. Raha ny fantatra dia saika ho amidin'izy ireo lavidavitra ity zaza varira ity. Amina miliara mantsy ny vidin’izy ireny amin’izao ka ny masony no tena alaina sy katsahin’ireo mpanao ratsy.
Nangonin’i Pati

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap