mpikamban’ny governemanta ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny Praminisitra Zafisambo Ruffin, ka ireo mpikambana telo izay misahana ny « forces » no nirosoana avy hatrany ny fanendrena. Voatendry ho minisitry ny fiarovana ny Jeneraly Deramasinjaka Rakotoarivelo Manantsoa, andiany faha-18 tao amin’ny ACMIL, nianatra tany amin’ny «ecole de guerre » tany Chine, efa kaomandin’ny SEMIPI Fianarantsoa, efa Kaomandin’ny région militaire tany Toliara, Tale jeneralin’ny Organisme de défense, Lehiben’ny Etamazaoro talohan’ny fanendrena ho Minisitra. Vehivavy kosa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka vaovao dia ny Contrôle générale de Police Randriambelo Mandimbiniaina. Efa Talen’ny sekolim-pirenena ho an’ny polisy teto Antananarivo, Tale Kabinetran’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka talohan’ny nanendrena azy. Voatazona amin’ny toerany kosa ny Minisitra Delege misahana ny zandarimaria Jeneraly Rakotondrazaka Andry. Mampiharihary hatrany fa mahatsapa ho anaty hamehana i Andry Rajoelina, mitady ny tetika rehetra hampandrian-tany, ka hatao izay fomba rehetra hifehezana ny toe-draharaha, izay toa tsy amin’ny alalan’ny filaminana fa amin’ny alalan’ny famoretana na fampiasan-kery, raha tarafina amin’ny famonoana vahoaka mitaky sy mitolona am-pilaminana. « Iarahana nahitana ireny fandravana, famotehana, fandravana, fahapotenana orinasa sy fananan’olon-tsotra. Nahaverezana asa, nikatonana fihariana, fahasembatsemban’ny fampianarana,… Zava-dehibe sy laharam-pahamehana ny famerenana haingana ny filaminam-bahoaka sy famerenana ny fitoniana », hoy i Andry Rajoelina. Nolazaina fa mba hahafahana manamafy izany, indrindra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny tany tan-dalàna, dia tsy maintsy miasa haingana hanarenana ireo simba sy hanarenana ny toekarena. Dia mbola haverina hatrany hoe : tena nampiasain-dRajoelina hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve ny « forces » ny takarin’ny 25 septambra ? Raha tena nanana fanetren-tena ve i Andry Rajoelina ho tonga amin’izao ny fahapotehan’ny Firenena ? Namafisina ny baiko fa tsy mamerina ny filaminana faran’izay haingana hahafahan’ny olom-pirenena miverina miasa ara-dalàna, fanesorana ny « couvre-feu » satria miteraka fatiantoka lehibe na amin’ny hotely fandraisam-bahiny, na amin’ny fivezivezen’ny fiaramanidina. Tsy maintsy haverina ny fiverenana miasa asa ara-dalàna, mianatra, mihary, mivezivezy ao anatin’ny filaminana, ady amin’ny kolikoly, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany,… ka nilazan-dRajoelina fa miandrandra vokatra maika ny vahoaka. Tery vay manta amin’ny basy sy tafondro no hampiverina an’izany sa famahana ireo olona fototra maro : politika, toekerana, sosialy,… Ny sokajian’ny vahoaka ho olana fototra aloha dia ny Filoha ankehitriny Rajoelina, izay vahoaka maro eran’ny Nosy no mitaky ny fialany, saingy miziriziry amin’ny fampiasana ny « forces », manome baiko ireo be galona,…
Toky R