airtel

Actualités

09-nov-2021

Actualités

Hanao hetsika anio ny Randrana sendikaly “Tokony soniavina ilay fifanarahana C 176”

Sample post image

Misy ny naoty navoakan’ny tale jeneraly misahana ny asa mikasika ny fanitarana ny fifidianana delegen’ny mpiasa, hoy ny fampahatsiahivana avy eo anivon’ny Randrana sendikaly-USAM-SVS.

09-nov-2021

 Samy nanana ny fandroritany an’io ny orinasa rehetra, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Ireo orinasa mbola tsy manana delegen’ny mpiasa mihitsy dia miheritreritra fa tsy fotoana tokony hifidianana izany izao. Izay no hiheveran’ny sasany azy. Ny sasany indray mieritreritra hoe na tsy misy intsony aza ny solontenan’ny mpiasa ao aminy fa voaroaka, ohatra, dia mbola mipetraka ihany ny an’ilay mpampiasa hoe tsy tokony mbola atao ny fifidianana satria misy ity naoty navoakan’ny fitantanana ankapoben’ny asa ity. Ny fahatelo moa dia misy ireo delege efa lany fotoam-piasana ary ireo mpiasa aza efa mahita fa tsy mirindra intsony ny fifampiresahana na “dialogue sociale” saingy mbola tsy miroso amin’izay fifidianana izay na dia ao anatin’izany filana fifampiresahana izany ho fampandrosoana ny tontolon’ny asa aza isika izao. Efa vitanay ny fitetezam-paritra nihainoana ny fitarainan’ireo mpiasa ka hitaky ny fampiantoana io naoty mikasika ny fanitarana ny fotoam-pifidianana io amin’izay izahay. Fotoana tokony hidirana amin’ny hoe fanarenana toekarena sy famerenana amin’ny laoniny ny orinasa tsinona ka antony hitakianay mafy ny fisian’io fifanakalozana sosialy io. Niroborobo ny resaka herisetra tao anatin’izay hahamehana izay ka antom-pisian’ny fifanarahana laharana 190 mikasika ny herisetra eny amin’ny toeram-piasana. Fifanarahana iraisampirenena mbola tsy namoahan’I Madagasikara fampiharana anefa izany fifanarahana tamin’ny taona 2019 izany. Efa nanao hetsika mikasika ny fifanarahana iraisampirenena laharana 176 koa izahay mikasika ny aroloza sy fahasalamana eny amin’ireo toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Tokony hanasonia izany koa I Madagasikara satria ny firenena Malagasy dia nametraka fa isan’ny lohalaharana amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fitrandrahana izany. Nanao fandinihana mikasika fifanarahana miisa 3 izao ny minisiteran’ny asa fa maninona no tsy nampidiriny ao io C 176 io? Misy fanerena ataon’ireo orinasa goavana ve ao ambadik’izany, hoy hatrany ny fanazavana sy fanontanian’ny Randrana sendikaly izay hanao hetsika anio ?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap