airtel

Actualités

10-janv-2022

Actualités

Harena an-kibon’ny tany Mandeha ny afera, miesona ny Praiminisitra

Sample post image

Mandrak’ity ny androany, tsy voatendry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany taorian’ny fametraham-pialan’ny Minisitra Brice Randrianasolo ny 18 aogositra 2021 telo andro taorian’ny fanendrena.

10-janv-2022

 Mandeha anefa ny afera sy ny trafika amin’ny endriny maro na ny ato anatiny, na ny avy eto makany ivelany. Sehatra goavana sy stratejika be ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, saingy goragora tanteraka. Ny andraikitry ny Praiminisitra efa goavana, saingy mbola miampy fisahanana io minisitera io, ka lojika raha izao no miseho, tena miesona izy sy ny ekipany hoy ny olona mahalala tsara io sehatry ny harena an-kibon’ny tany io. Io ny raharaha volamena 49kg tratra tany Kaomoro, izay nangina tsy nisy mivolana ny mpitondra sy ny manam-pahefana mahefa teto, fa ho 10 andro taoriana vao niteny. Efa tena lasa lavitra ny fanenjehana tany Kaomoro, izay vao hoe: mandeha ny fanadihadian’ny Bianco, PAC (Pôle Anti-Corrumption), ary nisy ny delegasionina notarihin’ny Minisitry ny fitsarana nalefa any Kaomoro. Haka ireo olona voasaringotra hotsaraina aty no tena no noresahina, fa ny volamena aza mbola nolazaina fa mandeha ny fanadihadiana hoe: avy aiza marina? Efa nisy aza ny toa fivoizana nataona andian’olona heverina ho voairaka sy voakarama nanely tamin’ny tambajotran-tserasera fa tsy an’i Madagasikara sy tsy avy aty Madagasikara ny volamena. Tsy vao izao fa betsaka izay afera nitranga izay. Porofon’ny tsy fahamatoran’ny Fanjakana ankehitriny ny hoe: ao anatin’ny 5 volana ve tsy mahita olona hatao minisitry ny harena an-kibon’ny tany? Nolazaina fa tsy nahavita iraka sy asa nampanaovina azy ilay teo aloha dia nesorina ka mahavita iraka sy mahafehy ilay sehatra ve ny mpisolo toerana vonjimaika? Efa kajikajy atao mihitsy hampandehanana ny afera goavana momba ny harena sarobidy mampiahiahy eto amin’ny firenena? Ahiana ho efa an-taoniny maro ny volamena niondrana antsokosoko avy eto nanomboka ny oktobra 2020 nilazana fa miato ny fanondranana volamena makany ivelany. Fampandrosoana inona no ho vanona raha olona hatao minisitra aza tsy hita ao anatin’ny fotoana lava ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap