airtel

Actualités

04-avril-2022

Actualités

Harena voajanahary Miha maro ireo mpitrandraka an-tsokosoko tratra

Sample post image

Tato anatin’ny herinandro dia maro ireo tranga fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary tra-tehaka tany amin’ny faritra vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny mpanome

04-avril-2022

 vaovao miafina sy ny olona tsara sitrapo ary ny fandraisan’andraikitry ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana, hoy ny sabotsy teo ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Mankasitraka tanteraka amin’ny fijoroana nasehonareo amin’ny fiarovana ny harena voajanaharintsika, hoy ny minisitra, Vina Marie-Orléa, ary manentana ny olom-pirenena rehetra ho saro-piaro amin’ny fiarovana azy ireo. Ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy dia efa nametraka ny politika « Tolérance zéro » amin’ny famotehana ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harenantsika ireo. Hiara-hientana sy hifanome tanana isika hiaro ireo harena voajanahary ireo mba ho lovainjafy, hoy hatrany ny tenany.
Legende: Manentana ny olom-pirenena ho saropiaro amin’ny harena voajanahary ny minisitry ny tontolo iainana, Vina Marie-Orléa
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap