airtel

Actualités

05-juil-2021

Actualités

Harona plastika Tsy mbola hita taratra ny fihenan’ny fampiasana azy

Sample post image

Tsy mbola hita taratra ny fihenan’ny fampiasana azyNy Didim-panjakana laharana 2014-1587 tamin’ny 07 oktobra 2017 no mandrara ny famokarana, ny fanafarana sy fivarotana ny harona plastika

05-juil-2021

 eto amin’ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara. Na dia teo aza anefa ny famoahana io Didim-panjakana io dia tsy mbola ahitana taratra fihenana ny fampiasana ny harona plastika. Zava-doza amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny olombelona anefa ny fiparitahan’ny fako plastika. Tsy mety levona ; raha dorana mankarary sy mahavoan'ny homamiadana, nefa raha ariana dia mandoto tanàna ary manatsentsina lakan-drano. Tsy vitsy koa ny biby fiompy tahaka ny omby sy ny kisoa tafahinana ireny harona plastika ireny ary miteraka fahafatesany. Rehefa hoentin’ny rivotra na rano amin’ny fitohanan'ny orana ny fako plastika dia tonga any an-dranomasina ka maro amin'ny biby an-dranomasina koa no tafahinana azy ireny. Ny hiafaran’ireny plastika ireny dia miverina anaty lovia amin’ny alalan’ny fihinana hena sy trondro. Raha ny filazan’ny manampahaizana dia ampaha-efatry ny trondro andranomasina dia efa ahitana plastika ao anatin’ny vatany ; ary raha mitohy ny tsy fandraisana andraikitra, afaka taona vitsy dia hihoatra ny isan’ny trondro ny hamaron’ny fako plastika anaty ranomasina. Azo atao tsara anefa ny mampihena ny fampiasana azy ireny amin’ny fampiasana ireo harona vita amin’ny akora natoraly ohatra.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap