airtel

Actualités

28-nov-2022

Actualités

Hatezerana noho ny delestazy Manomboka mahery vaika ny hetsi-bahoaka

Sample post image

Leo sy tofoka tanteraka amin’ny delestazy ny vahoaka, taorian’ny teny Alakamisy Fenoarivo ny herinandro teo, ny tao Antanetimboahangy Analavory Itasy, manamorona an’iny RN1 iny indray no nihetsika ny sabotsy lasa teo,

28-nov-2022

ka nidina an-dalambe nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ho mariky ny fahatezerany sy nitakiany vahaolana maharitra. Efa ho herinandro mantsy no voalaza fa tapaka ny jiro, saingy toa noheverina ho manaiky matoa tsy miteny hatrany ny vahoaka, kinanjo nitroatra tamin’ny ora tsy nampoizina. Ny entam-barotra simba ho an’ireo olona manana fihariana miankina amin’izany, ny olona tsy mba afaka nisitraka ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra na ny “Mondial 2022” ka sady efa lalao zara raha misy 28 amin’ny 64 no azo kanefa ny herinaratra tsy misy.
TIFITRA ?
Niitatra tany amin’ny fokontany Mandrevo ny fitokonana , naneho ny heviny ihany koa ny mponina tao. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana, nanao fanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana hetsika, ka nilaza ireo mponina fa nisy olona iray voatifitra ka naratra ; tsy mbola nanamarina an’io ny mpitandro filaminana. Tsy nisy resaka hoe namoy ainy aloha, raha ny fampitam-baovao. Raha ny tombatombana dia bala fingotra na irony antsoina hoe: “balle en caoutchouc” ireny no nahavoa ireo naratra. Na ilay solombavambahoaka IRD voafidy tany amin’io distrika io nisian’ny fitroaran’ny vahoaka io dia ingahy Fetra Rakotondrasoa aza moa nanamafy tamin’ny tambajotran-tserasera ny takarivan’ny sabotsy teo hoe: “Toerana maro ao amin'ny distrikan'i Miarinarivo no tapaka jiro efa herinandro mahery. Efa notaterina ny zava-misy fa tena mijaly anie ny vahoaka e! Tena hasorenana raha herinandro tsy miasa, herinandro tsisy jiro! Nihetsika ireo vahoaka nanamorona ny RN1 androany hariva teo ary voasakana ny fifamoivoizana, nodoran'izy ireo ny kodiarana. Miantso ny jirama izahay hanazava, hamerina ny jiro, ary hanao ny asany araka ny tokony ho izy. Miantso ny vahoaka ho tony, tsy hiditra anaty fifandranitana. Efa any mandrevo Analavory ny hetsika ankehitriny. Maizina ny vahoaka fa vonjeo”. Tsiahivina hatrany fa isan’ny fampanantenana poakatin’ny kandida Rajoelina tamin’ny taona 2018 ny hamokatra herinaratra 400MW ao anatin’ny 5 taona. Tany amin’ny 10 janoary 2022 mbola nilaza fa mila miafy kely ny vahoaka fa 6 ka hatramin’ny 8 volana dia hivaha, avy eo indray hoe amin’ny 2026-2028,… Mbola tetikasa tamin’ny andron’ilay noambaniana mafy aza no ianteherana hivahany fa ny tena azy toa tsy hita soritra? Aiza ilay vava be nanambaniana ny hafa? Iza no tena mpandainga sy mpampiesona ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap