airtel

Actualités

15-janv-2021

Actualités

Hentitra ny fitsarana Hihamafy ny fanaraha-maso ny volam-panjakana

Sample post image

Nosokafana tamin’ny Fomba ofisialy teny amin’ny Fitsarana an-tampony eny

15-janv-2021

 

 

 

 

Anosy ny taom-pitsarana 2021. Hafatra nentin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Tampony Atoa Andriantianarivelo Réné José ho an’ny mpitsara ny mba hitsarana araka ny rariny sy ny hitsiny, lavitry ny kolikoly, hafainganina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pitsarana mba ho olona izay mendrika no ho any am-ponja ihany no ho any. Tokony ho vitsy an’isa, hoy izy, ireo miandry fitsarana raha oharina amin’ireo efa voatsara, ary hasehontsika ho hita maso tokoa ny maha mendrika ny fitondrantenantsika na ao anatin’ny sehatry ny asa izany na ny ivelany. Nohamafisiny ihany koa ny fanajana ny zon’ny hafa. Tanjona ao anatin’izany rehetra izany ny hanomezana fahafaham-po ny olona manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, ka hiverina sy ho mafy orina ny fitokisan’ny olona ny Fitsarana, hoy io Tonia mpampanoa lalàna ambony io. Nilaza kosa ny Filohan'ny Fitsarana voalohany ao amin'ny fitsarana tampony, fa hihamafy ny fanaraha-maso ny volam-panjakana amin’ity taona ity, ary hatsangana ny fitsarana fandravana eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Eo amin’ny Fitsarana Tampony no heverina hanaovana fanadihadiana mikasika ny fizotry ny asam-panjakana amin’ny lafiny rehetra. Hitombo ny fanaraha-maso ataon’ny fitsarana misahana ny kaonty (cours des comptes) hitiliana ny fikirakirana ny rafi-pahalalahana. Ezahina ny hamaranana ny kaotim-bolam-panjakana. Mba ahafahan’ny filankevi-panjakana manao izany asa izany, anefa dia tsara raha sarahana ny asany amin’ny maha fandravana aza. Angatahan’izy ireo noho izany ny fananganana ny fitsarana fampiakarana manokana ho an’ny filankevi-panjakana, misaraka amin’ny fitsarana fandravana didy (cours de cassation) eo anivon’io rafi-pitsarana io. Nanatrika ny lanonana ny olom-panjakana samihafa, nahitana ireo filohana andrim-panjakana.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap