airtel

Actualités

30-juil-2021

Actualités

Hentitra ny Kardinaly « Tsy manao politika ny Fiangonana »

Sample post image

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny Firenena dia nisy ny dinidinika nifanaovan'ireo solontenan'ny fiangonana Katolika, izay notarihin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana,

30-juil-2021

 tamin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Nanambara ny Kardinaly Désiré Tsarahazana fa manameloka ny tetika sy fikasan-dratsy haka fahefana amin'ny alalan'ny herisetra sy fifofoana ain'olombelona ny fiaingonana Katolika. Nitondra ny teny fankaherezana ho an'ny filoha Andry Rajoelina avy amin'ny fanjakana Vatikana rahateo moa ireto solon-tenan'ny fiangonana Katolika ireto. Tsy manao politika ary tsy manana kandidà hatolotra ho Praiminisitra araka ny vaovao miparitaka amin'ny tambazotra sosialy ny Fiangonana Katolika, hoy hatrany ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Amin'ny maha raiamandreny am-panahy azy ireo dia miteny sy manoro kosa izay tomponandraikitra rehetra mila izany, mikasika izay mety sy tsy mety ny fiangonana. Nifampizara ireo vaovao sy hafatra mikasika ny fiainam-pirenena ihany koa ny filoham-pirenena sy ireto solontenan'ny fiangonana Katolika ireto. Niaraka tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana tamin'ity dinidinika niaraka tamin'ny filoha Andry Rajoelina omaly ity moa ny Evekan'i Morondava, Monseigneur Marie-Fabien Raharilamboniaina, sy ny Sekretera Jeneralin’ny « Conférence des Évêques », Monseigneur Jean-Claude Randrianarisoa. Izao no natao dia ho fifankaherezana sy fiaraha-mitady vahaolana hisian'ny fitoniana sy fahandriam-pahalemana eto amin'ny Firenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap