airtel

Actualités

18-oct-2021

Actualités

Herisetra ara-nofo Ny 44% n’ny ankizy mampiasa internet no efa lasibatra

Sample post image

Anisan’ny lalana iray tsy azo hiodivirana intsony ankehitriny ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ka anisan’ireny ny fikirakirana solosaina sy ny internet.

18-oct-2021

 Ankoatra ireo olon-dehibe dia marobe tsy tambo isaina ihany koa ireo ankizy efa mampiasa izany toy ny fananana kaonty manokana ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook. Ny 44%-n’ireo ankizy mampiasa azy ireny araka izany no fantatra fa efa lasibatry ny herisetra ara-nofo raha mitotaly 75% izy ireo. Ny 2% amin’ireo 44 % ireo no fantatra fa efa nanao horonan-tsary mamoafady. Saika miafina ao ambadik’ireo sarina tovolahy na tovovavy kely tsara tarehy ny ankamaroan’ireo olona manadala azy ireny. Tsy mijanona eo amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook fotsiny anefa izany fa ny 31% n-ireo ankizy nanaovan’ny Ecpat France fanadihadiana ihany koa no fantatra fa efa nanaiky nihaona tamin’ireo olona nanadala azy. Miisa 1500 izy ireo no nanaovana fanadihadiana avy amin’ny renivohi-paritany 6. Ny 15%-n’ireo ankizy ireo moa no fantatra fa efa nahazo fandrahonana mivantana fa haparitak’ireo tsy mataho-tody amin’ny tambajon-tserasera facebook ny sariny miboridana raha vantany vao tsy manaiky ny hiaraka aminy. Maika araka izany ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ara-pananahana eto amintsika ka tokony hanaovan’ny Fitondram-panjakana ezaka goavana.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap