airtel

Actualités

08-sept-2022

Actualités

Herisetra tao amin’ny ACMIL “Tena maty noho ny daroka sy vono i Petit”

Sample post image

Mbola ao amin’ny “camp” ao amin’ny Akademia Miaramila ao Antsirabe ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy vao erotrerony maty, izay ahiana ho noho ny herisetra natao azy.

08-sept-2022

Julien na Petit no anarany, manodidina ny 28 taona izy, 40kg eo, ka izay angamba no iantsoana azy hoe Petit, mpahandro sakafo tao amin’ny ACMIL izy. Namela mpitondra tena sy kamboty kely vao 10 volana Ratompokolahy. Raha ny fampitam-baovao azo omaly, enin-dahy no naka azy tao an-tranony vao mangiran-dratsy tamin’ny 3 ora maraina ny talata 06 septambra teo, ary nihanika tamboho mihitsy ireo. Tsy niverina tany amin’ny fianankaviany intsony izy taorian’io. Voalaza fa nisy entana very, ka izy no nahiana ho naka azy. “Ny tena marina, nitsambikina tamin’ny fefy ireo, avy dia nanao be miditra tamin’ny varavarana. Toa hoe nisy entana very, dia hoe leiry no nahatrarana azy. Nefa ny zavatra fanaon’ireo ihany koa indraindray ireo miaramila ireo manao “mission” dia ny entan’ireo mody any aminy, ary ny maraina ireo maka ny entany tsirairay. Tena potika tanteraka ny lohany, any an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Natao tao anaty “male” n’ny fiara ka tsy nisy nahatsikaritra, nototoina vody basy sy nodakana”, hoy ny havany. “Boky kely no navoakany dia nalainy sary, nosintoniny sy nodarohany sady niteny ratsy be izy ireo. Tamin’ny 4 ora maraina, nisy nilaza hoe: lasan’Andriamanitra izy”, hoy ny vadiny. Voalazan’ny loharanom-baovao moa fa nentina namonjy hopitaly ihany rehefa hita fa voa mafy na “K.O” kinanjo maty. Nentina niverina tao amin’ny “camp”, nampandroin-dry zalahy tao, nividianana akanjo vaovao nampisalorana azy, raha ny vaovao azo. Nampametra-panontaniana avy hatrany hoe: natao aiza ny akanjo teny an-kodiny tamin’ny nalaina tany an-tranony? Mety misy piti-drà noho ny vono sy ratra nahazo azy ve? Anio no re fa homena ny fianankaviany ny razana.
TSY MAHAZO MIVOAKA NY “CAMP”
Etsy andaniny, notazomina tsy misy mahazo miala ny “camp” ireo “promotion” telo ao amin’ny ACMIL. Nasaina niverina hatramin'ireo efa lasa. Any Antsirabe moa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard, heverina fa tafiditra ao anatin’ny anton-diany ity raharaha ity, ankoatra ny fanontronana sy ny fanomezam-boninahitra ny nofo mangatsiakan’ny Mgr Philippe Ranaivomanana. Hatramin’ny omaly hariva, tsy mbola nisy ny fampitam-baovao ofisialy navoakan’ny teo anivon’ny ACMIL na ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Ny zandarimaria moa no manao fanadihadiana momba ity raharaha ity ka asa hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha? Ahiana ho maty momoka sy ho vitavita ho azy tahaka ireo raharaha hafa. Nisy kosa ny feo re fa mety hanao hetsika hitondra sora-baventy eo anoloan’ny ACMIL ireo fianakaviany sy ny olona tsy faly amin’ity toe-javatra ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap