airtel

Actualités

29-nov-2022

Actualités

Hetra alaina amin’ny sekoly tsy miankina 90.000 Ariary lasa 3 tapitrisa Ariary

Sample post image

Nanao antsoavo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny mpanolontsain’ny tanana mikasika ny hetra takiana amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana omaly ireo mpanabe ao anatin’izany.

29-nov-2022

Mitaraina izahay, hoy izy ireo. 90.000 Ariary ny hetran-trano sy tany nalohan’ny sekoly iray tamin’ny taon-dasa. 3 tapitrisa Ariary latsaka kely fotsiny nefa izany izao, raha ny fampilazana voaray tamin’ity herinandro ity. Araka ny lalana anefa dia tsy tokony handoa hetra ny seha-panabeazana. Tsy malaina andoa hetra akory izahay fa tsy zaka ilay izy. Ny tena mampalahelo dia takiana hetra ny vahoaka nefa tsy misy tamberin’Andraikitra fa jerena ny fako mivangongo, ny lalana feno lavadavaka. Hamenoana ny paosin’ny mpiasan’ny kaominina ve ny hetra sa hamerenana ny vola nindramin’ny kaominina tany aloha tany? Sao lahy ho feno ny kapoaka ka hisy fipoahana sosialy mikasika ity hetra ity? Mangataka izahay dieny izao, ivereno dinihina io! Misy sekoly namana mitaraina fa tafakatra hatrany amin’ny 21 tapitrisa Ariary ny hetran-trano alainareo kanefa efitrano miisa 13. Mbola tsy afaka handoa an’io aloha izahay satria tsy manana fahefana amin’izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap