airtel

Actualités

02-déc-2024

Actualités

Hetran-trano IFPB hotangosan’ny fitondrana Hihatsaravelatsihy sa hanara-dia ny depiote ny loholona ?

Sample post image

Tandindonin-doza ny kaominina 1695 manerana ny Nosy izay anatin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana

02-déc-2024

manoloana ny fanpahan’ny Fanjakana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana LFI 2025 fa ny Fanjakana foibe no hitango hetran-trano na IFPB sy ny hetran-tany. Efa nolanian’ny solombavambahoaka tsy nisy fanintsiana ny faran’ny herinandro lasa teo io LFI 2025 io. Efa zara raha hiviny ny 30 tapitrisa Ar isan-taona hanampiana ny kaominina izay raha mitovy daholo dia 80 miliara Ar isan-taona eo kanefa dia mbola hongotana amin’ny kaominina ny IFPB izay mety manome 2/3 amin’ny fidiram-bolany ka hiviny sy izay maha diavolana ny Fanjakana foibe sisa no ho sitrahana ? Miditra etsy amin’ny Antenimierandoholona indray izany ny fandinihina sy fanintsiana azy io. Io andrim-panjakana io izay IRMAR 100% no mpiahy ny vondrombahoakam-paritra ka hanara-davahana handany tsy misy fanintsiana an’io sa mba hiaro ireo kaominina manerana ny Nosy ka hamerina izany eo am-pelantanan’ny kaominina ? Hijoro hanohitra an’io na dia fihatsaram-belatsihy ihany aza ve ? Ny depiote no tompon'ny teny farany raha misy «navette parlementaire » ka na hanaiky izay mety ho tapaky ny loholona na mamerina an’izany amin’ny endriny nandanian’ny antenimierampirenena azy. Raha zohiana amin’io dia efa naman’ny tsy misy fanafana fa izay baikon’ny fitondrana no arahan’ny depoiote izay maro an’isa ny IRMAR. Na inona na inona aloha fanazavana hoentin’ny Fanjakana Foibe, dia miharihary ny maha banky ropitra ny Fitondrana ny toe-javatra tahaka izao, ka mitady hirika any amin’ireo loharanom-bola samihafa. Ny mpiara-miombon’antoka manenjana mbola mampihantona ny fanohanana ara-bolany toy ny 103 tapitrisa dolara avy amin’ny FEC (Facilité Elargie de Credit) avy amin’ny FMI na ny Tahirimbola Iraisam-pirenena noho ny tsy fanajana ny fepetra toy ny fanintsiana ny vidin-tsolika. Ny Banky Iraisam-pirenena mbola mihazohazo tsy mamoaka ny 100 tapitrisa dolara tohana ara-bola na « Appui budgétaire » hitsabotsaboana ny kitapombolam-panjakana noho ny tsy fanajana fepetra toy ny raharaha fanarenana ny Jirama,… Ny Fanjakana Malagasy anefa mbola ny kirendrarendra no betsaka raha tsy hilaza afatsy ny teleferika hitrosana 152 tapitrisa dolara, ny kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara kanefa ny Barea latsaka an-davaka,… Izao ve no antsoina hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap