airtel

Actualités

02-déc-2024

Actualités

Hetran-trano IFPB hotangosan’ny fitondrana Hihatsaravelatsihy sa hanara-dia ny depiote ny loholona ?

Sample post image

Tandindonin-doza ny kaominina 1695 manerana ny Nosy izay anatin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana

02-déc-2024

manoloana ny fanpahan’ny Fanjakana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana LFI 2025 fa ny Fanjakana foibe no hitango hetran-trano na IFPB sy ny hetran-tany. Efa nolanian’ny solombavambahoaka tsy nisy fanintsiana ny faran’ny herinandro lasa teo io LFI 2025 io. Efa zara raha hiviny ny 30 tapitrisa Ar isan-taona hanampiana ny kaominina izay raha mitovy daholo dia 80 miliara Ar isan-taona eo kanefa dia mbola hongotana amin’ny kaominina ny IFPB izay mety manome 2/3 amin’ny fidiram-bolany ka hiviny sy izay maha diavolana ny Fanjakana foibe sisa no ho sitrahana ? Miditra etsy amin’ny Antenimierandoholona indray izany ny fandinihina sy fanintsiana azy io. Io andrim-panjakana io izay IRMAR 100% no mpiahy ny vondrombahoakam-paritra ka hanara-davahana handany tsy misy fanintsiana an’io sa mba hiaro ireo kaominina manerana ny Nosy ka hamerina izany eo am-pelantanan’ny kaominina ? Hijoro hanohitra an’io na dia fihatsaram-belatsihy ihany aza ve ? Ny depiote no tompon'ny teny farany raha misy «navette parlementaire » ka na hanaiky izay mety ho tapaky ny loholona na mamerina an’izany amin’ny endriny nandanian’ny antenimierampirenena azy. Raha zohiana amin’io dia efa naman’ny tsy misy fanafana fa izay baikon’ny fitondrana no arahan’ny depoiote izay maro an’isa ny IRMAR. Na inona na inona aloha fanazavana hoentin’ny Fanjakana Foibe, dia miharihary ny maha banky ropitra ny Fitondrana ny toe-javatra tahaka izao, ka mitady hirika any amin’ireo loharanom-bola samihafa. Ny mpiara-miombon’antoka manenjana mbola mampihantona ny fanohanana ara-bolany toy ny 103 tapitrisa dolara avy amin’ny FEC (Facilité Elargie de Credit) avy amin’ny FMI na ny Tahirimbola Iraisam-pirenena noho ny tsy fanajana ny fepetra toy ny fanintsiana ny vidin-tsolika. Ny Banky Iraisam-pirenena mbola mihazohazo tsy mamoaka ny 100 tapitrisa dolara tohana ara-bola na « Appui budgétaire » hitsabotsaboana ny kitapombolam-panjakana noho ny tsy fanajana fepetra toy ny raharaha fanarenana ny Jirama,… Ny Fanjakana Malagasy anefa mbola ny kirendrarendra no betsaka raha tsy hilaza afatsy ny teleferika hitrosana 152 tapitrisa dolara, ny kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara kanefa ny Barea latsaka an-davaka,… Izao ve no antsoina hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap