airtel

Actualités

14-janv-2021

Actualités

Hetsiky Ny Mpitondra Fivavahana “Natao ihany ny hangina, saingy …”

Sample post image

Naneho hevitra eo anatrehan’ny zava-misy sy miseho eto amin’ny firenena

14-janv-2021

 

 

 

amin’izao fotoana izao ny ny Hetsiky Ny Mpitondra Fivavahana (HMF), izay tsy dia re firy tao anatin’ny fotoana lava sy naharitra. Natao ihany ny hangina satria tsy miseho ho hendry noho ireo tokony hiteny mialohan'ny tena saingy efa tena "loza mihatra" izy ity : Kapoakam-bary 800 ariary , ny very asa very asa, ny kere kere, misy mpitsoa-ponenana tsy fidiny, ny fanidiana vava sy varavarana miainga any indray, potika ny toekarena, tsy misy fanajana lalàna fa natao hamoretana ny madinika sy ny osa sisa izany, harem-pirenena mivoaka tsy hita maso, mpianatra mitaky ny zony ratraina,... Izay miteny ampitahorina fisamborana sy gadra. Azo hanoratana boky iray manontolo ny fahasahiranana fa dia izay izany. Mba mitenena ihany izay tokony hiteny fa sao ny vato tahaka anay no hiantsoantso. Fanairana ireo zoky manam-panahy an-dalàna, hoy ny HMF. Mikasika ny valanaretina kosa, dia aoka izay ny “confinement politique” fa tsy adala akory ny vahoaka . Tsy ny vahoaka no tsy nitandrina fa ianareo mpitondra no namory olona marobe nanerana an'i Madagasikara. Aoka ho tonga saina isika vahoaka, hoy ny fanehoan-kevitry ny HMF.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap