airtel

Actualités

21-avril-2021

Actualités

Hetsiky ny olom-pirenena amin’ny zoma “Tsy ekena ny famihinana fanampiana tokony ho an’ny vahoaka”

Sample post image

Marary ireo mpiasan-tenany rehetra , ny mpanao volo , ny mpivarotra anana , ny mpibata entana ,

21-avril-2021

 

 

 

ireo mpitarika posy , ny mpampianatra , ny saofera , ny mpanao asa tanana , ny mpivarotra fanaka sy ny sisa izay marihana fa mitady izay ho arapaka isan'andro, manan-janaka mitanatana vava sy mipitrapitra , mangovitra sy noana, zara raha mitafy kanefa tsy misy vahaolana manokana omen'ny fanjakana. Tahaka an’izay ihany koa ireo mararin’ny Covid 19 izay tokony hiantohan'ny fanjakana ny sakafo eny amin’ny hopitaly satria ankoatry ny fahasahiranana dia saika ialan'ny fianakaviana izy ireny noho ny tahotra sy ny tsy fahampiana mianjady. Samy miaro ny tenany izay tsy hifanomezan-tsiny . Ankoatry ny fanafody dia ny fasana no omen'ny fanjakana maimaim-poana ho azy ireo. Ireo rehetra ireo, raha ny fanazavana, no antom-pisian’ny hetsika hikiaka ho tontosaina ny zoma 23 aprily ho avy izao ho mariky ny tsy fanekena ny famihinana ireo fanampiana tokony ho an'ny vahoaka mitentina hatramin’ny 4.333 tapitrisa miliara izay tsy misy fiatraikany akory kanefa trosa ho efain'ny taranaka any aoriana, hoy ireo miantso ny olompirenena hanao ity hetsika ity.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap