airtel

Actualités

21-juil-2022

Actualités

Hirifirin'ny hatsiaka amin'izao Nitovy tamin'ny niainana tamin'ny taona 2013

Sample post image

Tena tafiditra tanteraka ao anatin'ny aty ririnina isika eto Madagasikara ankehitriny. Ankoatra ny varatraza izay mandrafitra ny toetr'andro eto amintsika mantsy izay ahitana ranon'orana dia mandrivotra ihany

21-juil-2022

koa ny eto afovoan-tany. Raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro etsy Ampandrianomby dia nitovy tamin'ny hatsiaka niainantsika tamin'ny taona 2013 izao hiainantsika ankehitriny izao. Anisan'ireny hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr'andro ny fisian'ilay lagilasy tany Ambohibary Faratsiho ny 06 jolay izay nitangorona nangom-potsy tokoa. Efa tafidina tany amin'ny 1 degre celcius mantsy ny hatsiaka tany an-toerana tamin'io daty voalaza io raha latsaky ny 4 degre celcius amin'izao ho an'ny faritra Vakinankaratra. Manodidina ny 7 degre celcius kosa izany eto an-drenivohitra raha 20°C ny ambony indrindra. Na izany aza dia fantatra fa hihafana kely ny toetr'andro eto an-drenivohitra hatramin'ny faran'ny herinandro.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap