ny alatsinainy teo, nanao serasera sy horonan-tsary indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa nampiantso fivoriana iarahana amin’ny Minisitra roa tonta voakasiky ny olan’ny jiro sy rano miampy ny Tale Jeneralin’ny Jirama Ron Weiss. « Mandalo haintany isika, tsy misy orana, tsy misy rano, mampihena ny famokarana. Ny zavatra nampanantenaina dia tsy maintsy mitady vahaolana maika. Hisy ny fivoriana isan-kerinandro hijerena sy hitondrana ary hanarahana ireo vahaolana. Rehefa misy ny olana dia tsy maintsy mitondra vahaolana ny mpitondra Malagasy mba hamahana ny olana sedrain’ny mponina andavanandro », hoy i Andry Rajoelina. Endrika maneho hatrany, fa mbola tsy tena misy asa sy vokatra azo tsapain-tànana dia ny fanaovana serasera no hihazakazahana hoe : io ary izahay fa miasa. Maninona no tsy efa misy vokatra sy zava-bita ary vahaolana tsapan’ny vahoaka vao miteny sy be resaka ? Efa betsaka izay kabary natao izay, eny fa hatramin’ny vava be toy ny tamin’ny 2018 tetsy Mahamasina aza hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Manana asa ve ny vahoaka ? Mandry fahalemana ve ny tany ? Mbola ilaina tsiahivina ve ny tamin’ny 2012 nilazana fa hamokatra angovo avy amin’ny rivotra na « éolienne » ho vita hatramin’ny faran’io taona io ? Ny 400MW anatin’ny 5 taona nambara tamin’ny 2018 ? Ny 500MW anatin’ny 5 taona nambaran’ny Praiminisitra tany amin’ny Fivoriamben’ny ONU ? Ny 1000MW anatin’ny 5 taona nolazain’I Andry Rajoelina tao amin’ny TVM afak’omaly ?
HAFATRATRA AMIN’NY TALE JENERALY NY RIHITRA
Nanamafy ny minisitry angovo, fa akarina aloha ny famokarana amin’ny solika na dia lafo aza, ary fehezina ny tsy hisian’ny olana. Nambara fa vahaolana hafa ny fanafainganana ny fampiasana ny « parc solaires », fijerena ny fahafaha-mandrotsaka orana,... Momba ny fanarenana ny Jirama, efa nankatoavina ve ny drafi-panarenana ny Jirama natolotry ny mpitantana indrindra fa ny drafitra ara-bola ? Hanao ahoana ny ho fampiharan’ny fitondrana an’ilay hoe : hampiodina an’ireo « Turbines » 2 etsy Mandroseza mandany solika 40 000litatra ka handaniana 200 000 000Ar isan’andro raha miodina adin’ny efatra izay fampanatenany fa mba hifehezahana ny fahatapahana ao anatin’ny fotoana maha be mpampiasa ny herinaratra kanefa ny tsindry tsy hanontonana volabe ao amin’ny Jirama mandeha ? Matetika misy endrika fibedesana mivantana na ankolaka ny Jirama ataon’ny Filoham-pirenena. Ny Tale Jeneraly izay niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF ny fanendrena azy. Tafiditra anaty fepetran’ny PTF anefa ny fampihenana ny fandrotsahana volabe amin’ny Jirama, ny fampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix »,... Ny Fanjakana hiditra amin’ny fanontonana volabe hividianana solika ka tena ampy ve ny hoenti-manana sa ny mpitantana ny Jiramla no hajoboka ? Mitombona ve ny hoe : tafiditra anatin’ny fingana sy politika avo lenta hamatrarana ny tsy fahombiazana sy hamelezana ny Tale Jeneraly Ron Weiss eo anatrehan’ny PTF ny fihetsiky ny Fanjakana ? Tena tsy misy Malagasy mahavita azy tokoa ve ?
Toky R
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.