airtel

Actualités

21-janv-2022

Actualités

Hisy fiforonana rivodoza rahampitso

Sample post image

Mitohy ny oram-be, faritra maro mety ho tondraka “Azo antoka ny hisian’ny fiforonana rivodoza ny sabotsy maraina. Ny fizotrany kosa dia hahazo ny 1/3 Avaratry ny Nosy avokoa,

21-janv-2022

 noho izany dia hitohy hatrany ny rotsakorana ho an’ireo faritra Avaratra ireo manomboka any Melaky, Betsiboka, Alaotra Mangoro ary Atsinanana no mianavaratra”, hoy ny fampahafantarana nataon’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro omaly 20 janoary 2022, araka ny sary hitan’izy ireo tamin’ny zana-bolana tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teo. Namoaka fampitandremana mahakasika ny habetsahan’ny rotsak’orana izy ireo ora vitsy taorian’izay, araka ny antontam-baovao teo am-pelantanany omaly tamin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hahitana oram-baratra hatrany ny faritra Boeny, Sofia, Diana, Vatovavy, Atsinanana ary Analanjirofo hatramin’ny alahady 23 Janoary 2022, hoy ny fampahafantarana. Ahiana hihoatra ny 100mm/24ora ny habetsahan’ny rotsakorana amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ka mety hiteraka tondra-drano, fiangonan’ny rano ary fihotsahan’ny tany. Nisy noho izany ny filazana fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana , ka filazana miloko mena ho an’i: Mitsinjo, Marovoay, Mahajanga voalohany sy faharoa, Ambatolampy, Andramasina, Anosibe An'ala, Marolambo, Antanambao, Manampotsy, Vatomandry, Mahanoro ary Nosy-Varika. Filazana miloko mavo: Soanierana Ivongo, Vavatenina, Brickaville, Fenerive Est, MananaraAvaratra, Maroantsetra, Sainte Marie, Toamasina voalohany sy faharoa, Moramanga, Port Berger, Antsohihy.Analalava, Ambanja, Nosy-Be, Ambilobe ary Antsiranana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Mahajanga sy Antsiranana ary manomboka eo Antsiranana hatrany Nosy-Varika mba tsy hiandrika sy tsy hisaodisaody eny an-dranomasina mba ho fisorohana ny loza mety hitranga. Entanina ihany koa isika mba hanaraka tsy tapaka ny toromarika omen'ny manampahefana eny ifotony, hoy ny toromarika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap