airtel

Actualités

12-oct-2021

Actualités

Hitohy anio ny fitsarana Mihalalina ny raharaha Eddy boaderozy

Sample post image

Raharaha nafana tato anatin’ny andro maromaro moa izay ny tsy fahitana an’i Eddy Maminirina na « Eddy boaderozy »

12-oct-2021

 tao amin’ny efitrano fitsaboana tao amin’ny Hopitaly HJRA, fa teny amin’ny fiantsonan’ny fiaran’ny hopitaly. Nakarina fampanoavana omaly ireo mpiandry fonja roa lahy, mpitsabo roalahy dia ny Pr Auberlin Rakototiana Lehiben’ny sampan-draharaha nisy ny marary sy ny DAT (Directeur Adjoint Technique) Dr Rakotosamimanana Jean Marie, izay voasaringotra ho niray tsikombakomba tamin’ny fampitsoahana gadra. Nanomboka maraina, ary naharitra hatramin’ny alina ny raharaham-pitsarana. Efa maty masoandro, manodidina ny tamin’ny 8ora alina tany, nalefa nody ireo mpitsabo, ary hitohy ho an’ny anio amin’ny 8ora sy sasany ny raharaha. Mihalalina ny raharaha satria nanomboka ny maraina no nisafotofoto hoe ahoana ihany? Mandrak’alina tsy nisy fanapahan-kevitra. Naneho firaisan-kiana hatrany ireo mpitsabo sy mpianatra ho mpitsabo. Nilaza kosa ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja Atoa Ranaivo Andriamaroahiana omaly, fa ela no niditra hopitaly, ary efa betsaka ny tatitra ara-pitsaboana voaray avy amin’ny dokotera ny fonja mikasika ny fahasalaman’I Eddy Maminirina. Nambarany fa aretin-dratsy no mahazo azy, ary ny tratrany no tena voa ka mila “oxygène”, fa ny dokotera no tena mahita azy. Misolosolo roa isan’andro ny mpiambina azy. “Matetika manao fitsirihana ny fandraharahana ny fonja ary hitanay tao izy sy ny mpiambina. Nisy ihany koa ny fitsirihana nataon’ny tribonaly, ka araka ny voalaza dia hoe tsy hita tao, fa ny mpiambina no hita teo. Rehefa nantsoina ny voafonja dia hita tao. Nantsoina ny polisy dia nobataina ilay marary, niaraka tamin’ny mpiambina ary nentina nohadihadiana tany amin’ny polisy. Hatreo aloha ny zavatra fantatray satria ao anatin’ny tsiambarateon’ny”, hoy izy. Mandeha ny fanadihadiana hoe: nikasa handositra tokoa sa tsia? Nahoana no tsy hita tao amin’ny hopitaly? Ny andraikitry ny mpandraharahan’ny fonja dia miambina ny voafonja ka matoa tsy ao dia sao misy faharatsian’ny fiambenana? hoy izy. “Izaho tsy miteny hoe misy andraikitry ny dokotera na tsia. Ny fantatray kosa dia hoe tao ry zalahy fa ny gadra tsy teo, fa rehefa nantsoina ny voafonja dia voalaza fa tonga teo ny voafonja”, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja Atoa Ranaivo Andriamaroahiana. Tena fitsaboana no nataon’ny mpitsabo, ary ny fiambenana dia anjaran’ny mpandraharahan’ny fonja, hoy hatrany izy.

TSY VAO IZAO NO TSY TAO AM-PONJA ?
Omaly, voalaza fa niakatra fampanoavana ihany koa I Eddy Maminirina saingy tsy mbola re ny akony sy ny tohiny. “Tsy vao izao no tsy tao am-ponja, fa efa hatry ny ela. Misy ifandraisany tamin’ny raharaha fahafatesan’ny mpandraharaha Danil Radjan ny fiandohan’ny taona. Hita nandritra ny fikarakarana ny razana ary niaraka tamin’ny rahalahin’ny maty Moustapha izay tokony higadra”, hoy ny vaovaon’ny onjam-peo iray omaly. Isika teto amin’ny Tia Tanindrazana ihany koa noho ny loharanom-baovao samihafa azo dia efa volana vitsivitsy izay no nametra-panontaniana hoe: tena migadra any Tsiafahy tokoa ve I Eddy Maminirina ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap