airtel

Actualités

01-mars-2022

Actualités

Hotely anaty rano etsy Andranotapahana Efa ho 4 taona izao tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana

Sample post image

Ahitana trano iray miorina anaty rano ao anatin’ny farihin’Andranotapahana efa ho 4 taona izao. An-kavanan-dalana izy io raha hiakatra ho any Ambohidratrimo.

01-mars-2022

 Raha araka ny fanazavan-dRandrianandrasana Augustin, filohan’ny mpanarato eny an-toerana dia misoratra amina tera-tany Malagasy io tany misy ilay trano ambony rano io nefa tera-tany Sinoa no mitantana ilay toerana izay nanjary lasa hotely. Vaovao hany fantatray io hoy izy fa ny tena mampalahelo hatramin’izao dia ny tsy fananan’io hotely io taratasy fahazoan-dalana rehefa nangatahan’ny fikambanan’ny mpanarato izany izy. Rehefa misy fananganana foto-drafitrasa tahaka izao anefa eny Andranotapahana hoy izy na misy asa hafa tokony hatao dia tokony haka ny hevitry fikambanan’ny mpanarato hatrany ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany fa tsy handidy sy hanapaka tahaka izany fotsiny. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1991 no nanomboka niasa teo amin’ny farihin’Andranotapahana ireo mpanarato eny an-toerana izay misy fianakaviana manodidina ny 600 isa raha tamin’ny taona 2000 kosa no niorina ara-panjakana ny fikambanana.
Pati
Legende : Randrianandrasana Augustin, filohan’ny mpanarato eny Andranotapahana
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap