airtel

Actualités

21-janv-2026

HUB LOGISTIQUE

HUMANITAIRE AO MANAKARA

Sample post image

Efa azo hampiasaina, notokanana

21-janv-2026

Fotodrafitrasa stratejika, natao hanamarihana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra haingana manoloana ireo loza sy ny voina ny Hub logistique humanitaire ao Manakara. Fotodrafitrasa maneho mazava ny fanavaozana miorina amin'ny fanjakana manakaiky vahoaka,voaomana ary mahavita mamaly haingana ny vonjy voina. Vita izany ankehitriny ka notokanana sy nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teo ambany fitantanan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Birao Nasionaly misahana ny Fitanantanana ny Tandindon-doza sy ny loza. Ny Vondrona Eoropeana (Union européenne) Echo no namatsy vola mitentina 600.000 Euros ary 200.000 Euros avy amin'ny PAM , tamin’ny alalan’ny tohana ara-bola ho an’ny asa maha-olona, izay ny Programme Alimentaire Mondial (PAM), sy manome fanohanana ara-teknika sy traikefa amin’ny sehatry ny logistika maha-olona teo amin’ny fananganana izany. Ity fotodrafitrasa ity dia natao hanohanana mivantana ny Fanjakana malagasy amin’ny fitahirizana mialoha ny fitaovana sy sakafo vonjy taitra ary ny fanatsarana ny fandraisana andraikitra rehefa misy loza. Ity fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana malagasy, sy ny Vondrona Eoropeana ary ny PAM ity dia manamafy ny finiavana iombonana hanatsara ny fiomanana mialoha, hampihena ny fiantraikan’ny loza ary hiaro bebe kokoa ny vahoaka marefo manerana an’i Madagasikara.Zava-dehibe tokoa ny ivon-toerana Hub Logistique Humanitaire amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahafahana miditra an-tsehatra haingana any amin’ireo faritra lavitra sy marefo, indrindra ireo faritra tratran’ny rivo-doza Emnati sy Batsirai tamin’ny taona 2022. Manana toerana stratejika i Manakara, noho izy manana seranam-piaramanidina afaka mandray fiaramanidina ATR72 sy angidimby MI8, ka hahafahana miditra mora kokoa any amin’ireo faritra an-tendrombohitra sy saro-dalana toa an’i Ikongo sy Midongy. Izany dia hahafahana mamaly haingana sy am-pahombiazana ny vonjy taitra, sady mandrakotra ihany koa ireo faritra atahorana tahaka an’i Farafangana sy Vangaindrano.
Pati
Légende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap