airtel

Actualités

05-déc-2022

Actualités

Imerintsiatosika Tapaka nandritra ny fito ora ny jiro omaly

Sample post image

Io delestazy io no mety hampiongana ity Fitondran-dRajoelina ity, hoy ny resaka any anaty fiarahamonina. Tsy mijanona ho an’ny faritra iray intsony mantsy izany fa efa miparitaka manerana ny Nosy mihitsy.

05-déc-2022

Taorian’ny teny Andoharanofotsy, Anosimasina Itaosy, Fenoarivo… izay lasa fahazarana mihitsy ny miaina ao anaty haizina dia lasibatra ihany koa ny mponin’Imerintsiatosika efa ho tapa-bolana izao. Omaly alahady fotsiny dia nahatratra ora fito be izao ny fahatapahan-jiro niainan’ny mponina nefa mba fotoana fialan-tsasatra hiarahan’ny mpianakavy. Sorena ny ankamaroan’ny isan-tokantrano vokatr’izany. Mody kotrok’orana kely fotsiny dia tapaka ny jiro nefa ny faktiora aloha isam-bolana amin’ny JIRAMA tsy mitsaha-midangana. Ho an’ireo manao asa mivelona amin’ny herinaratra dia fantatra fa mahatsiaro mijaly sy mangirifiry izy ireny. Efa tapatapaka hatrany ny jiro isan’andro mbola tsy misy hiainana ihany koa ny faran’ny herinandro. Ho an’ireo mpanao volo mantsy raha araka ny fanadihadiana natao dia miezaka manarona ny banga amin’ny vola tokony hiditra aminy izy ireny rehefa Alahady nefa mbola tapaka ihany ny jiro.
Pati
(Sary tahiry)
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap