airtel

Actualités

22-août-2022

Actualités

Imerintsiatosika Zandary iray maty notsatohan'ny miaramila antsy

Sample post image

Zandary iray mitondra ny anarana Tsiasanda Ratsimandresy Jimmy manana galona “adjudant”

22-août-2022

no namoy ny ainy rehefa noleran'ny miaramila kilasy faharoa tamin'ny antsy maranitra, ny faran’ny herinandro teo Ambohitrantenaina Imerintsiatosika. Nisy famadihana tao an-toerana ary tompon-danonana ilay zandary. Akaikin'ny tobin'ny Rezimantan'ny tafondro mavesatra (RAL) moa no nisy ny fety ka tonga "nanala" tao ny miaramila efa-dahy. Voalaza fa nisarizoro tamina tovovavy roa tompom-pamadihana izy ireo rehefa mamo. Rehefa tsy nanaiky izy roavavy dia namoahan'ny iray antsy, ka tamin'izay no nikiaka niantso vonjeo ireo vehivavy. Ren'ilay zandary izany ka niditra an-tsehatra haka ny antsin'ilay raikalahy, kinanjo, izy indray no voatsatok'antsy, in-dray mandeha teo amin'ny kibony, ary in-2 teo amin'ny tehezany havia. Raikitra ny rombo ary voasambotra ilay niletra tamin'ny antsy sy ny namany iray. Tafaporitsaka kosa ny roa. Nentina tany amin'ny HJRA ilay "adjudant", saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao amin'ny BPR Toamasina izy ary hanao famadihan-drazana no nahatongavany tany Ambohitrantenaina. Efa voatazona any amin'ny zandarimaria ireo miaramila voasambotra hatao famotorana, hoy ny fampitam-baovao.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap