hanana fanantenana sy handray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena sy ny fandrosoana i Tahina Razafinjoelina omaly tao anatin’ny fandaharana fohy nataony. Maro an’isa eo anivon’ny fifidianana isika, hoy izy, kanefa isika dia maro an’isa ihany koa tsy mandray anjara intsony amin’ny fifidianana. « Fantatro ny antony, ianareo dia kivy, ianareo dia mieritreritra fa tsy misy hidiranareo ny fiainana ankehitriny. Raha maniry ny ho tafita, raha mbola mahatoky ny fanabeazana, ary mbola mino fa ny ezaka no mitondra fahatafitana, dia diso isika raha tsy mandray andraikitra amin’ny fifidianana », hoy i Tahina Razafinjoelina. Saino fotsiny hoe : misy solosaina 200 isa miaraka amin’ny fifandraisana internet isaky ny Boriborintany eny amin’ny Ivotoeran’ny tanora, hoy izy nisintona ny sain’ny tanora. Boriborintany roa moa no efa nisantarana izany ankehitriny. Notsipihiny fa natokana manokana ho an’ny tanora io ary maimaimpoana, manampy amin’ny zavatra maro toy ny fahafahana mamita fianarana, mitady vaovao, mitady fahalalana, hanampy an’ireo mamarana fianarana na manomana «mémoire »,… Hisokatra 24/24ora sy 7/7 andro. « Manentana antsika hijery izay tena ilaintsika sy tiantsika amin’ireo vinan’ny kandida tsirairay, miangavy anareo aho, aoka izay ilay hoe : leo izay izahay, fa misy fototra ilainareo dia ny fahalalana, ny fahatafitana. Aoka izay ny fijerena ny endrika ivelany, fa ny fahalalana, ny fahatafitana, ny asa no andao jerena », hoy hatrany ity kandida ben’ny tanàna ity. Nohamafisiny hatrany fa mitondra herijika lehibe io, mety hiteraka asa, hahafahan’ireo tanora mitady ireo tolotr’asa maneran-tany, mety hahahafana mampifandray amin’ireo mpandraharaha any ivelany, manaraka ny fanatontoloana, toy ny Intelligence Artificielle izay afaka mampifandray ny vazan-tany. Manantena aho fa tsy ho kivy ianareo fa mahalala ny antsoina hoe vahaolana, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,