airtel

Actualités

29-janv-2021

Actualités

James Ratsima « Avoahy ireo mpianatra nogadraina »

Sample post image

Avoahy ireo mpianatry ny oniversite nogadraina any Antsiranana, hoy Atoa James Ratsima,

29-janv-2021

 

 

 

 

anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny voamieran’ny Nosy miaraka amin-dRtoa Arlette Ramaroson mpahay lalàna iraisam-pirenena . Raha araka ny fanazavany omaly mantsy dia tapitra niantso sy nitaraina taminy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra any an-toerana no sady tsy manaiky izao fisamborana sy fanagadrana ny zanany izao ihany koa. Mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena hoy Atoa James Ratsima. Ireo mpianatra tokony hipetraka ao amin’ny campus indray no havoaka ety ivelany ka ireo mpitandro ny filaminana no lasa mibahan-toerana ao anatin’izany no sady hakana mpahandro sakafo matihanina ihany koa hoy izy. Tsy nisy ratsy nataon’ireo mpianatra ireo anefa hoy James Ratsima fa rano sy jiro tapaka no nampitokona azy izay tena zony feno tanteraka. Ho an-dRtoa Arlette Ramaroson manokana dia nambarany fa tsy manan-jo hijanona ao amin’ny oniversite ao Antsiranana ireo mpitandro ny filaminana. Iza loatra no lehiben’izy ireo hoy izy no dia manao fihetsika mihoatra noho ny lalana manan-kery tahaka izao ? Miantso ireto farany mba hivoaka ety ivelany araka izany ity mpahay lalana iraisam-pirenena ity. Tsiahivina moa fa miisa 16 ireo mpianatra nosamborina raha 5 kosa no naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap