airtel

Actualités

18-févr-2022

Actualités

Jean Claude Rakotonirina “Tena voa mafy i Mananjary”

Sample post image

Nanampy trotraka ny fahasahiranam-bahoaka ny vokatry ny rivodoza, izay loza voajanahary nefa raharaham-pirenena tsy maintsy hatrehina,

18-févr-2022

hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Jean Claude Rakotonirina. Nandalo teto ny rivodoza Ana izay namela takaitra tamin’ny toerana maro, hoy izy. Niarahantsika nahita ny fomba niatrehana izany. Andraikitry ny fitondrana tanteraka ny tsy maintsy miahy sy mitondra vahaolana manoloana izay fahasahiranana vokatry ny fiantraikan’ireny. Tonga koa Batsirai izay namela takaitra mafy dia mafy amin’izao fotoana izao any amin’iny faritra atsimo atsinanana iny. Vavolombelona nanatri-maso izany ny tenako satria nitondra ny delegasionina tany Mananjary mihitsy ny filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana. Efa mba nisokatra ny lalam-pirenena ka afaka nitsidika ihany koa ny ankoatran’I Mananjary saingy Mananjary moa no tena voa mafy. Niezaka nitondra ny vahaolana ho an’ny vahoaka ny Rodoben’ny mpanohitra. Mbola mitoreo ireo mponina any kanefa dia tsy hita taratra any mihitsy ny fiahiana sy fanampiana ny olona ao anatin’izany voina izany raha tamin’ny fotoana nandalovanay tany, herinandro taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza. Na voly fihinana atao sakafo andavan’andro aza tsy nisy noraisina any, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap