airtel

Actualités

14-avril-2021

Actualités

Jean Jacques Ratsietison “Mila hazavaina hoe mandaitra marina ve sa tsia ny CVO”

Sample post image

Mila manazava ity aretina ity amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana, hoy ny mpahaitoekarena sady filohan’ny antoko politika FMI Malagasy,

14-avril-2021

 

Jean Jacques Ratsietison. Be dia be no tsy mahafantatra ka minomino foana, hoy izy. Tokony manazava aloha ny fanjakana hoe mandaitra marina ve ilay CVO? Tsy mbola nisy porofo ara-tsiansa fa mahatohana io COVID io ny CVO. Tsy misy anaty fitondram-panjakana ho tratry ny COVID raha marina izany. Be dia be anefa no tratra. Misy depiote maty. Tokony tsy hamita-bahoaka fa hanazava amin’izay ny fanjakana hoe tsy miaro na tsy manasitrana ny CVO fa mitandrema ianareo! Ny miazakazaka any amin’ny vakisiny no tokony ataony. Nalefa tany Afrika ny CVO. Niaro an’I Andry Rajoelina daholo ny filoham-pirenena afrikanina maro hoe ny an’ny tandrefana rehefa fanafody aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana dia hosihoseny hoe tsy mandaitra. Nanandrana anefa zareo. Nanao “essai Clinique” I Nizeria sy Congo, ohatra, saingy tonga tamin’ny famehezana hoe mitovy amin’ny misotro rano mangatsiaka ny misotro CVO. Lainga tamin’ireny ny filazana hoe isika no kely maty indrindra fa narovan’ny CVO nefa misy tany afrikanina miisa 35 fara fahakeliny no vitsy noho ny teto no maty tany aminy. Ny 90%n’ny olona maty tamin’ny andiany voalohany tamin’ny COVID tany Frantsa koa, raha raisina ohatra, dia zokiolona maherin’ny 65 taona na mitaiza aretina. Tamin’ity vao nisy hoe na tanora aza tratra. Mila mitandrina amin’ny antsoina hoe “surcharge virale” no dikan’izay ary io no mila azavain’ny fanjakana. Famonoana olona faobe ny filazana fa miaro ny CVO. Betsaka lavitra noho ireo matin’ny COVID no matin’ny fahantrana teto, hoy hatrany ny tenany, ka ampidino amin’ny ampahefany ny vidim-piainana mba hampitombo ny hery anaty vatan’olona izay fanefitra voalohany indrindra. Mila mamoaka didim-panjakana hanafoanana ny MID sy hampiverina ny taham-bola tsy miovaova ny fanjakana, hoy izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap