airtel

Actualités

10-août-2021

Actualités

Jean Nirina sy ny ekipany “Mety ny fanapahan-kevitry ny Filoha”

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy sady filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly

10-août-2021

 taorian’ny kabarin’ny Filoham-pirenena afak’omaly alahady alina. Betsaka ny zavatra noresahiny nandritra izany raha anisan’ny nosinganiny kosa ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny Filoham-pirenena izay nomarihiny manokana fa tena metysady hentitra entina hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka.
KABARY TSARA SY MENDRIKA
Iny kabarin’ny Filoham-pirenena afak’omaly alina iny no nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa kabary tsara sy nankasitrahany indrindra hatramin’izay nandraisan’ny filoha Andry Rajoelina ny toerany. Tao anatin’ny 2 ora mahery no nanaovany izany hoy izy saingy tena nahafa-po sy nahaliana ny vahoaka fatratra ny zavatra rehetra voalaza tao. Nankasitraka feno ny Filoham-pirenena ny tenany noho izany ary maniry hatrany ny hitohizan’ny endrika kabary tahaka ireny entina hanarenana ny firenena. Ankoatra izay dia nankasitraka feno ny mpanao gazety Abraham Razafy avy amin’ny vata fahitalavitra Tv Plus ihany koa ny tenany izay tsy nitsitsy fitenenana sy fanontaniana indrindra fa ireo tena maharary ny vahoaka ankehitriny. Ny mpanao gazety tokoa mantsy no anisan’ny andry iray hiankinan’ny vahoaka manoloana ireny karazan-javatra maharary mahakasika ny fiainana andavanandro izay hiainan’izy ireny ka nitondran-dRafanomezantsoa Jean Nirina fisaorana feno sy mitafotafo ho an’ny rehetra.
AVELAO HIPOITRA NY MARINA
Tsy adinon-dRafanomezantsoa Jean Nirina nandritra izany ny nilaza sy nanambara fa rariny raha hentitra sy nasiaka ny filoham-pirenena manoloana ireo karazan’olona mikendry ny hahafaty Azy ka mikasa haka fitondrana. Aleo hipoitra ny marina hoy izy mba ho fanta-bahoaka hahafahana manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo ministra tsy mahomby ao anaty governemanta. Tena zava-dehibe loatra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena hoy izy mba hahafahana manala ireo tsy manao ny asany ka hanoloana izany ho vaovao. Tsy tokony hijerena tavan’olona ny karazan-javatra tahaka izany hoy izy hahafahana mampandroso ny firenena. Notsindriany moa fa Filoham-pirenena tia tanindrazana loatra ny filoha Andry Rajoelina. Izany indrindra hoy izy no nanaovako ezaka nandresena lahatra ireo mpanohitra teo aloha sasany toy ireo gadra politika tarihin-dRiribe izay nanaiky ny nifona ampahibemaso tamin’ny filoha ary vonona ny hanova ny lalany ka hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanandratana ny maha-Malagasy. Ny tenako no nahavita izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy tahaka ireo solombavambahoaka sasany tsy mahavita na inona na inona , variana amin’ny fanenjehana ny sasany fotsiny. Ny boriborintany fahaefatra no gisitra indrindra hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina raha oharina amin’ireo Boriborintany hafa eto an-drenivohitra .
MPISOLOKY
Tsy adinony nandritra izany ny niresaka mikasika ilay fikambanana Mainty enin-dReniny. Tsy mbola mpikambana tao anatin’izany ny tenako hoy izy ary tsy ho mpikambana ao mandrakizay noho izany mpisoloky avokoa izay milaza fa tao anatin’izany aho no niala. Ny VAM no fikambanana nisy ahy hoy izy fa tsy fikambanana mpanavakavaka tahaka ireny. Raisiko no mpisoloky sy mpanakorontana hoy izy ny fikambanana tahaka ireny ka tsy tompon’andraikitra amin’izay hataony aho. Avelao ny HAFARI sy ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA hoy izy hijanona amin’ny toerany sy izay misy azy. Aza mikitikitika anay hoy izy ary aza mitsabatsaka amin’ny asa sahaninay fa tsy mbola nangataka Ariary tany am-baravaranareo izahay. Samy Malagasy tompon’andraikitra eto amin’ny taniny isika hoy izy koa samy manao izay andraikitra tandrify azy fa aza variana manenjika ny hafa. Mikasika ny sosialim-bahoaka manokana moa dia nomarihiny fa zava-dehibe loatra ny firotsahan’ny filoha hijery ireo mpanararaotra amin’ny fampiakarana ny vidim-piainana izay manomboka any amin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka hatrany amin’ny arina fandrehitra. Miandry fatratra izay mety ho tohin’izany ny vahoaka araka izany ary miantso ny Filoha hatrany ny tenany mba ho sahy hahafahana manamaivana ny fahasahiranam-bahoaka. Eo an-danin’izay dia mitohy hatrany ny fitsaboana sahaniny ho an’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA entina hanasoavam-bahoaka.
IREO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap